Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tao amin’ny TVM. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny fifidianana. “Efa misy ny tetibola. Efa nanao fifidianana hatrany isika ary nahazo fampitaovana sy vola ny Ceni. Tsy olana ny fanampiana ny Ceni ary tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, […]
Songadina
Matin’ny jiolahy i Fidelys: namela kamboty 12 mianadahy
Namela zanaka 12 mianadahy, maty voatifitry ny olon-dratsy ny lehilahy iray hanavotra ny zanak’anabaviny tao Valpinson, Toamasina, omaly maraina. Tamin’ny 8 ora sy 50 minitra, teo amin’ny sampanan-dalana efatra avy ao Morafeno mihazo an’i Valpinson, 100 metatra tsy ahatongavana amin’ny paositra misy ny Fip ny lalan’ ny lehilahy iray atao hoe […]
Saika hanafika: jiolahy efatra maty voatifitry ny USI tetsy Androndra
Nirefodrefotra ny basy! Maty noho ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy efatra tetsy Androndra, afakomaly alina. Saron’ny polisy (USI) teo am-piketrehana hanafika tokantrano iray etsy Androndra ny jiolahy efatra nitam-basy, ny alin’ny alarobia teo. Tamin’ny misasakalina, nanao fisafoana teny amin’ io fokontany io ny polisy. Hatairana ny an’ireo olon-dratsy […]
Efa nigadra teny Tsiafahy: nizerianina naiditra am-ponja eny Antanimora
Tsy mety fay. Efa avy nigadra teny Tsiafahy, mbola nanohy ny asa ratsiny ihany. Nidoboka eny Antanimora indray ity Nizerianina mpanao trafikana rongony “méthamphétamine” ity. Naiditra am-ponja ny talata 17 janoary teo eny Antanimora indray, ilay teratany nizerianina nahatrarana rongony mahery vaika tetsy Ambohitrimanjaka. Efa mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fanaparitahana zava-mahadomelina […]
Fatin-jazakely natsingevan’ny rano : hita afakomaly ireo ray aman-dreniny
Tanterahina anio ny fandevenana an’ilay zazavavikely fito taona hita faty teny amin’ny reniranon’i Sisaony, fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo ny alahady teo. Fantatra ihany koa fa avy eny Anosizato ny ray aman-dreniny ary tonga naka ilay nofo mangatsiaka teny amin’ny CSB II Ampangabe, ny alatsinainy teo. Hatreto, tsy mbola misy […]