Songadina

CUA-IFI : hitohy ny fiaraha-miasa hanatrarana ny veliranon’Iarivo

Niarahaba sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Anta­nana­rivo, Andriantsitohaina Naina ny fikambanana IFI (Isika Fikambanana miara-dia amin’ i Andry Rajoelina), omaly. Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny lanonana. Tonga nanatrika izany teny an-toerana Ra­ma­nambitana Richard, filohan’ ny fikambanana IFI sy ireo mpikambana eny anivon’ny boriborintany enina ary ny mpikambana eny […]

Jery taratra…: Mila alamina…

Nahabe resaka ny amin’ny hoe fisian’ny renim-pianakaviana mivaro-janaka any amin’ny distrikan’Ikongo. Noho ny fahasahiranana sy ny fahantrana no hoe antony fa misy ny tsy fanjarian-tsakafo. Tafaka-dapa ny resaka. Tsy ekena ny fanelezana vaovao tsy marina hanakorontanana ny saim-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Lasa fitaovana politika eo an-tanan’ny sasany izay. Ranolava ny […]

Nirefotra ny basy: olona iray maty voatifitra, lasa ny 100 tapitrisa Ar

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amina mpandraharaha jirofo, omaly tamin’ny 5 ora sy 20 mn. Lasan’ny jiolahy ny volabe 100 tapitrisa Ar, olona iray maty voatifitra… Efa sahy mihantsy mpitandro filaminana! Ni­horohoro indray ny mponina nandritra ny fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ity tokantrano ity omaly. “Mandanja […]

Filoha Rajoelina Andry : “Hohamafisina ny fanampiana ny Foloalindahy”

Nomarihina, omaly, ny Andron’ny manamboninahitra eo anivon’ny tafika. Nam­baran’ny filoha Rajoelina An­dry tamin’izany, teny Iavo­loha fa mariky ny firaisankina sy ny fiombonam-po ireo ta­nora avy amin’ny faritra ma­nerana ny Nosy eo anivon’ny manamboninahitra. Nanteriny fa hohatevenina sy hamafisina hatrany ny ezaka efa natao. “Vonona hatrany izahay, amin’ ny maha filoha […]

Fankalazana “12 janvier”: manamboninahitra efatra naratran’ny grenady

Manamboninahitra efatra, miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Fianarantsoa no naratra, omaly. Nipoahan’ny grenady mamparenin-tsofina, nentina namoha-mandry, tamin’ny fetin’ny manamboninahitra izy ireo. Saika zava-doza no niseho tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ta­min’ny fankalazana ny An­dron’ny manamboninahitra, omaly. Toy ny fanao mahazatra, izay niraisan’ny toby miaramila, misy tafika na zandary […]