Songadina

Tsy fandriampahalemana tao Toamasina: 227 ny olona maty nandritra ny roa volana

Olana iray mampimenomenona sy mampitaraina ny mponina amin’ny faritra rehetra ma­nerana ny Nosy ny trangana tsy fandriampahalemana. Anisan’ny miaina izany tsy tapaka hatramin’izao ny faritanin’i Toama­sina. Betsaka ireo olon-tsotra maty vokatry ny asan-jiolahy isan-karazany. Manjaka ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritr’Atsina­nana tao anatin’ny fotoana maro izay. Ahitana izany avokoa eny […]

Oniversiten’i Toamasina : nahazo boky 15840 isa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières

Anisan’ny manampy betsaka ny se­hatry ny fanabeazana ny fananana boky sy ny toerana famakiana boky. Ho an’ny oniversiten’i Toa­ma­sina manokana, nahazo boky maro samihafa avy any Frantsa izy ireo. Nahazo fanomezana b­oky maro samihafa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières, ny oniversiten’i Toamasina. Nanolo­tra izany ho an’ity Anjerima­nontolo iray ity, […]

Haratsian-dalana : 10 isan’ andro ireo fiara misedra olana amin’ny lalam-pirenenana fahadimy

Mampimenomenona ny ankamaroan’ny mpandeha sy ny mpitatitra ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena eto amin’ny Nosy. Raha ho an’ny lalam-pirenena fahadimy manokana, fiara tsy latsaky ny 10 ireo misedra ola­na manoloana izany. Zato kilometatra miainga eo Toamasina ny halaviran-dalana misy an’i Fenoarivo Atsina­nana, izay renivohitr’Ana­lan­jirofo. Mahatratra 8 andro be izao ny faharetan’ny […]

Fianarana teny tanana : 500 hatramin’ny 600 eo ho eo ny ankizy marenina miditra an-tsekoly

Mbola vitsy amin’ ireo olona marenina na manana olana ara-pandrenesana no tsy man­deha an-tsekoly hatramin’ izao. Olana ny tsy fahafehezany sy ny manodidina azy ny teny tanana. Mahatratra 200 000 isa eo ireo olona marenina na manana olana ara-pandrenesana eto Mada­gasikara, raha ny antontanisa nivoaka farany, ny taona 2017. Miaina […]