Sehatra iray efa anisan’ny miroborobo fatratra eto Madagasikara ny fanaovana sary, raha ny zava-misy. Nataon’ny maro ho fitadiavam-bola sy fialamboly ny ankamaroan’ny fanaovana azy ireny, raha ny fanadihadiana natao. Misy tombontsoa manokana amin’ny saina ny fahaizana azy io. Ilaina talenta ny fironana amin’ny fanaovana sary ary hamafisina amin’ny fanaovana fiofanana […]
Songadina
Faritra Antsinanana : niakatra ny haavo lentan’ny kolontsaina maro loko
Niakatra amin’ny haavo lenta indrindra manerantany ny lafiny ara-kolontsaina sy ny soatoavina, ary ny fahasamihafana ao amin’ny faritra Antsinanana. Taorian’ny hetsika ara-kolontsaina nokarakarain’ny vovonan’ny tanora “Vagnona” ny 16 novambra lasa teo tany an-toerana. Fotoana nampisehoana hetsika samihafa sy valandresaka nanomezan-danja ny kolontsaina izany. Azo lazaina fa nahenika ny firenena iray manontolony hetsika, […]
Tsy fahasalaman’ny reny mitondra vohoka: teraka tsy tonga volana ny 38% ny zaza eto Madagasikara
Tranga mateti-piseho eto Madagasikara ny fahaterahan’ny zaza tsy tonga volana. Antony matetika mahatonga izany ny aretina eo amin’ilay reny mitondra vohoka. Mahatratra 13,15 tapitrisa ny zaza teraka tsy tonga volana maneran-tany, raha ny antontanisa voaray avy amin’ny Support the premature. 11 800 izany tamin’ny 2019, raha ho an’i Madagasikara manokana. […]
Fotoam-piotazana letisia 2024-2025 : nihena ho 28 ny mpanondrana vokatra tamin’ity taona ity
Efa ao anatin’ny fotoam-piotazana letisia ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Somary nahitana fihenana ny vokatra miakatra sy ny mpanangom-bokatra tamin’ity taona ity. Lasa aloha loatra kosa ny fahamasahan’ny vokatra eny an-tsaha. Nosokafana ny 12 novambra tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo, ny taom-piotazana ny letisia eto amin’ny Nosy. […]
Komity iombonan’ny mpiasa malagasy: “Marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara”
Mbola misedra olana manoloana ny hakelin’ny karama sy ny fahatapahan’ny jiro sy rano matetika ny mpiasa malagasy. Miantso ny filoham-pirenena sy ny governemanta ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy sy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa isan-tsokajiny ny hijerena sy hamahana izany olana izany, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Marary ny tontolon’ny […]




