Vokatra iray be mpanjifa sy be mpitia ny huitre sy tekateka, raha ny zava-misy eto amin’ny Nosy. Ataon’ny olona kalsioma sy hitsaboana aretina ny tena ihinanana izany. Anisan’ny hazandranomasina iray misy eto Madagasikara ny huitre sy tekateka. Efa nanjifa izany tao anatin’ny taona maro ny vahoaka malagasy. “Miha mitombo kosa […]
Songadina
Fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka : mampitombo ny fahatokisan-tena eo amin’ny olona tsirairay
Anisan’ny sakana mahazo ny ankamaroan’ny olona tsy handray fitenena imasom-bahoaka ny henatra, ny tahotra , ny tebiteby ara-tsosialy sy ny maro hafa. Mampitombo ny fahatokisan-tenan’ny tsirairay ny fandraisam-pitenenana matetika. Zava-dehibe ny fahafehezana sy fahaizana mandray fitenenana imasom-bahoaka. Mitaky fifehezana zavatra maro izany mba hahafahana maka ny fon’ny mpijery sy ny […]
Fiainana andavanandro: mitombo isa ny tsy an’asa
Olana iray lehibe eto amin’ny Nosy, maneran-tany mihitsy aza, ny fitomboan’ny tsy fananana asa eo amin’ny tanora, na tsy ampy fahaizana na nahavita fianarana. Azo antoka fa miakatra ny tarehimarika, raha ny fahitana ny olana amin’izao fotoana, eto an-toerana. Tarehimarika ofisialy (2022), farany, navoakan’ny Instat (Ivontoerana momba ny antontanisa), manambara […]
Kaominina ambonivohitr’i Toamasina : betsaka ny fahadisoana eo amin’ ny sora-piakohonana
Anisan’ny mampimenomenona ny ankamaroan’ny olona ny fahadisoana madinidinika eo amin’ny fanaovana sora-piankohonana, sora-pahaterahana ary ny sora-pahafatesana. Miteraka olana goavana eo amin’ny fianakaviana izany trangan-javatra izany. Tsy vitsy ny misedra olana eo anivon’ny kaominina amin’ny fikirakirana ny sora-piakohonana, kopia fahaterahana, fahafatesana, fanambadiana, eny anivon’ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina, raha ny fanadihadiana natao. […]
Zavamaniry jatropha : ahazoam-bokatra sy angovo biolojika maro
Fantatra hatramin’ ny fahagola, fa zava-maniry ahazahoam-bokatra sy angovo biolojika maro ny jatropha. Anisan’ izany, ny solika miaro ny tontolo iainana. Ahitana azy io maniry betsaka indrindra ny any amin’ ny faritra maina sy mafana manerana an’izao tontolo izao. Maro ny anarana fiantso ity zavamaniry iray ity, raha any Afrika […]




