Songadina

faritra Vakinankaratra : matanjaka ara-toekarena sy manan-karena ara-boajanahary

Anisan’ny ahafantaran’ny maro ny faritra Vaki­nan­karatra ny famokarana ny filàna ara-tsakafo rehetra sy ny fiompiana. An­koatra izay, ma­nan-karena toeram-pizahantany maro samihafa koa izy. Mampan­droso sy mitazona ny maha izy azy ny faritra ny fananana izany. Mahatonga azy matanjaka ara-toekarena tena avo lenta. Anisan’ny faritra heverina ho mahavita tena ara-tsakafo raha […]

Fahavitana fianarana hatramin’ny farany : safidin’ny ankizy afaka bakalorea ny oniversite tsy miankina

Manana ny fomba fijeriny mikasika ny tontolon’ny fampianarana ambony amin’izao fotoana izao ireo ankizy vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity, raha nanaovana fanadihadiana. Misafidy ny handranto fianarana eny ani­von’ny oniversite tsy miankina ny ankamaroan’izy ireo. “Manimba ny sain’ny ankizy sy ny hoaviny ary ny fotoanan’ ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny fitokonana sy ireo olana samihafa eny amin’ny oniversiten’Ankatso”, hoy i Sahondraniaina, mpianatra afaka bakalorea, Serie […]

Tetikasa “Madagasikarantsika” : tafapetraka ny alan-javaboahary voalohany any Ampotaka, Mandoto

Tratra ny tanjona! Notokanana tao Ampotaka ny alan-javaboahary voalohany eto Madagasikara. Handrakotra ala ho an’ny taranaka sy ho fanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana maharitra ny tetikasa “Parc Madagasikarantsika”. Tsikitsiky sy hafaliana. Io no nisoritra teo amin’ny endrik’ireo mponina tao amin’ny fokontany Ampotaka, kaominina sy distrika Man­doto, faritra Vakinankaratra omaly, […]

Ambohidratrimo Marovatana : vohitra nanana ny naha izy azy, anatin’ny tantara.

Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohi­dra­trimo, ankoatry ny maha anisan’ ny ao anatin’ny vohitra roa am­bin’ny folo azy. Efa tao anatin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’izany. Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ny Mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambolamasoandro no nifandimby nanjaka teny, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. […]

Fampahatsiahivana tantara : 360 ireo olo-malaza mitondra anaran-dalana eto Antananarivo

Mahatratra 360 ireo anaran-dalana manerana an’ Antananarivo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny Vakoka sy ny fizahantany eo anivon’ny kaominina Antananari­vo Renivohitra. 5% ireo toerana tsy mbola misy anaran-dalana ankehitriny, raha ho an’Antanana­rivo manokana. “Nosafidina afaka mi­tondra anaran-dalana ireo olo-malaza, efa maty, nahavita zava-dehibe teto Antananarivo sy […]