Mieritreritra ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora ankehitriny, fa fandaniam-potoana ny fanorona. Kilalaon’ny tsy manan-katao. Variana amin’ny lalao nampidirin’ny vahiny toy ny hazakazaka vitsika, ludo… izy ireo. “Efa mitady ho faty ny kilalao fanorona eto Madagasikara satria ny mpitandro filaminana mihitsy no mandrava izany eny an-dalana eny”, hoy i Herindrainy Jean Patrick, filohan’ny […]
Songadina
Harinkarena : mihalafo ny vidim-piainana eto Madagasikara
Mihamafy ny fisondrotry ny vidim-piainana manerana an’i Madagasikara. Teo amin’ny 6,9% tamin’ny 2022 niakatra 11,3 % tamin’ny 2023, izay nokajiana 10,5 % taorian’ny jona 2023 ihany ary 8,5 % amin’izao fiandohan’ny 2024 izao, saingy mifanohitra amin’izay ny zava-misy. Nandalo tsy fahampian’ ny fitomboan’ny harinkarena sy fahantrana lalina i Madagasikara, am-polo […]
Solohoho : manome endrika ny tanana nefa manimba fahasalamana ihany koa
Lasa lamaody ankehitriny ny fanaovana solohoho na “faux ongles”. Manome endrika ny tanana ary tena manintona ny ankamaroan’ny vehivavy. Misy ihany koa ny loza ara-pahasalamana azo avy amin’ny fampiasana azy, noho ireo akora ampiasaina aminy. Nalaza tamin’ny taonjato faha-20 ny solohoho. Niseho tany Etazonia izy io taorian’ny ady lehibe faharoa. […]
Manodidina ny fiandohan’ny taona : vanim-potoana fanavaozana ny fanaka ao an-trano
Ny volana manodidina ny fiandohan’ny taona vaovao toa izao ny fotoana mahasarika ny olona hividy entana sy kojakoja ao an-tokantrano, raha ny fanadihadiana natao. Eo anelanelan’ny volana desambra hatramin’ny volana marsa eo izany, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Maro ny antony mahatonga ny ankamaroan’ny olona manavao sy manolo ireo fitaovana […]
An-drenivohitra sy ny manodidina : vokatry ny toe-tsain’ny mpamily ny mahatonga ny fitohanan’ny fiara
Zary lasa fiainana sy mahazatra ny ankamaroan’ny olona ny fitohan’ny fiara misy eto an-drenivohitra. Maharitra eo anelanelan’ny ora iray hatramin’ny adiny efatra eo izany rehefa tena mihisatra, raha ny zava-misy. Anisan’ny fitaovam-pitaterana eto an-drenivohitra ny fiara fitateram-bahoaka (taksibe), moto, taxi… Olana sedraina, iraisan’ny mponina rehetra eto Antananarivo ny fitohanan’ny fifamoivoizana […]