Songadina

Toe-tena entina mandra-pahafaty : 4 % amin’ny vahoaka malagasy no diabetika

Tsy mitsaha-miakatra ny tahan’ny antontanisan’ny olona diabetika satria mahatratra 500 tapitrisa izy ireo manerana an’izao tontolo izao. Ny fahazotoan’ny olona manao ny fitiliana no antony mahatonga ny fiakaran’ny antontanisa, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ho an’i Madagasikara ma­nokana, 4 % amin’ny vahoaka malagasy no voan’ny aretina, raha ny tatitra navoakan’ny Organisa­tion mondiale […]

Vokatra eto Madagasikara : fanampin-tsakafo sy mahasalama ny sésame

Anisan’ny vokatra iray eto Madagasi­kara ny voly sésame. Tafiditra indrindra, ho anisan’ny sakafo mahasalama sy mampatanjaka ny vatan’ny olombelona ny fihinanana azy io. Manankarena voly sy vokatra maro i Mada­ga­sikara. Anisan’iza­ny, ny voly sésame, izay mi­tondra hery sy fahasalamana ho an’ny vatan’olombelona. Maro ny toerana mamboly azy, raha eto Madagasikara manokana. Toy ny any amin’ny faritra […]

Kolontsaina sy famoronana : mitondra anjara biriky goavana, manabe olona ny sary hosodoko

Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto toy ny sary hosodoko. “Miezaka ho modely eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano ary ny firenena iray manontolo mihitsy izy ireny”, hoy i Zo Nasandratra, mpanao hosodoko. Nilaza izy fa tokony ho hita taratra amin’ny zavakanto ataony sy amin’ny […]

Vokatra fanondrana : tsy misy singa very ny jirofo iray manontolo

Anisan’ny zavamaniry ilain’ny fianan’ny olombelona ny vokatra fanondrana raha ny eto Madagasi­kara. Tsy misy very fa ilaina avokoa ny momba izany, raha ho an’ny vokatra jirofo manokana. Maro ny zavatra azon’ny olona ampiasana ny vokatra jirofo, raha ny fanadihadiana natao. Manom­boka eo amin’ny fakany, ny hodiny, ny tahony, ny tangozany ary ny raviny. Afaka […]

Herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy : 23 ireo vehivavy niharan’ny herisetra ara-pananahana manerana ny Nosy

Mitombo isan-taona ny antontanisa voaray momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy eto amin’ny Nosy. Efa mihasahy sy mihamaro ny olona mitoroka sy miteny ary manatona ny Sam­pandraharaha ka antony mahatonga izany, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Bri­gade féminine de proximité. Maro ny karazana herisetra […]