Manomboka mandefa ny ray aman-dreny eny amin’ny toerana mitaiza zokiolona ny Malagasy. Tsy kolontsaina saingy noho ny fahasahirana no voalaza fa mahatonga izany. Manomboka eo amin’ny faha-65 taonany. Azo lazaina ho zokiolona ny olona iray rehefa mila fanampiana sy tohana eo amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina, raha ny nambaran’ny fikambanana […]
Songadina
Fikarakarana volo : mandany hatramin’ny 100 000 Ariary
Manodidina ny 4 hatramin’ny 10 isan’andro ireo olona tonga mikarakara volo eny anivon’ny botika sy trano fanaovam-bolo eto an-dRenivohitra. Miakatra na mihena io isa io miankina amin’ ny vanim-potoana. Manodidina ny 25 000 hatramin’ny 100 000 Ariary ny saran’ny fikarakarana volo eny anivon’ny botika matihanina arakaraka ny volon’olona. “Eo anelanelan’ny […]
Toamasina : jiolahy 157 voatifitry ny polisy
Maro ny taratasin’ady miakatra ao amin’ny fitsarana Toamasina. Misy anefa ireo tena mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny manaraka azy. Ny 18 avrily teo, nivoaka ny ordonnance laharana faha-047-CC/CA/ TOA/23, avy amin’ny filohan’ny fitsarana voalohany eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, Razafiarison Hery Harizandry, izay misahana ny ady heloka bevava sy ny […]
Fanodinana fako : afaka avadika ho lamaody sy haingon-trano
Mbola vitsy ary tsy marisika ny hividy ireo akora voahodina avy amin’ny alalan’ny fako ny Malagasy, raha ny zava-misy. Mbola maro ny mihevitra azy ireny ho fako hatrany, raha ny fanadihadiana natao. «Miakatra ny tahan’ ny “gaz à effet de serre” (entona ratsy) rehefa mitoby be loatra ny fako”, hoy […]
Fambolena holatra any an-trano: manome lanja ny fanajana ny tontolo iainana
Maniry any anaty ala ny holatra amin’ny ankapobeny. Manomboka mahazo vahana, ankehitriny, ny fambolena azy ireny any an-trano sy anaty toerana mihiboka. Mba hialana amin’ ireo karazana holatra tsy azo hanina sy mahafaty. Vanim-potoana hitsirian’ ny holatra (champignon) any anaty ala ny mangatsiaka sy misy erika, anisan’ izany eto Madagasikara. […]