Nahabe resaka ny amin’ny hoe fisian’ny renim-pianakaviana mivaro-janaka any amin’ny distrikan’Ikongo. Noho ny fahasahiranana sy ny fahantrana no hoe antony fa misy ny tsy fanjarian-tsakafo. Tafaka-dapa ny resaka. Tsy ekena ny fanelezana vaovao tsy marina hanakorontanana ny saim-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Lasa fitaovana politika eo an-tanan’ny sasany izay. Ranolava ny […]
Songadina
Nirefotra ny basy: olona iray maty voatifitra, lasa ny 100 tapitrisa Ar
Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amina mpandraharaha jirofo, omaly tamin’ny 5 ora sy 20 mn. Lasan’ny jiolahy ny volabe 100 tapitrisa Ar, olona iray maty voatifitra… Efa sahy mihantsy mpitandro filaminana! Nihorohoro indray ny mponina nandritra ny fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ity tokantrano ity omaly. “Mandanja […]
Filoha Rajoelina Andry : “Hohamafisina ny fanampiana ny Foloalindahy”
Nomarihina, omaly, ny Andron’ny manamboninahitra eo anivon’ny tafika. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany, teny Iavoloha fa mariky ny firaisankina sy ny fiombonam-po ireo tanora avy amin’ny faritra manerana ny Nosy eo anivon’ny manamboninahitra. Nanteriny fa hohatevenina sy hamafisina hatrany ny ezaka efa natao. “Vonona hatrany izahay, amin’ ny maha filoha […]
Fankalazana “12 janvier”: manamboninahitra efatra naratran’ny grenady
Manamboninahitra efatra, miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Fianarantsoa no naratra, omaly. Nipoahan’ny grenady mamparenin-tsofina, nentina namoha-mandry, tamin’ny fetin’ny manamboninahitra izy ireo. Saika zava-doza no niseho tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, tamin’ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra, omaly. Toy ny fanao mahazatra, izay niraisan’ny toby miaramila, misy tafika na zandary […]
Hala-jaza- Toliara: olona efatra hadihadian’ny polisy
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha hala-jaza tao amina klinika iray ao Tanambao Toliara. Ankehitriny, miisa efatra ireo voasambotra sy hanaovan’ny polisim-pirenena famotorana. Isan’izany ilay vehivavy mpampivelona iray, renim-pianakaviana mpandraharaha iray sy ireo mpiasa roa tao amin’ilay klinika. Vesatra hanenjehana ilay vehivavy voalaza ho tompon’antoka tamin’izany ny fisandohana andraikitra. […]




