Songadina

Tontolo iainana : asa mahavelona ny fambolena zanakazo

Miroborobo ary ahitana toerana fikarakarana zanakazo avokoa ny faritra sy ny toerana maro eto Madagasikara. Anatin’ny fotoana famafazana tanteraka ny mpa­nao izany, amin’izao fotoana izao. “Mahavelona tsara ny asa fambolena za­nakazo raha ma­nao tsara ny asany ireo mpisehatra amin’izany ary tsy misy ny hala tahaka ataon’ny sasany”, hoy ny mpitam-bo­lan’ny […]

Taranja baolina kitra : hampiroboroboina any anaty klioba ireo taninketsa

Miditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Hampifaly sy hanampy amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora tsy ho variana na hirona amin’ny karazana zavatra mamoafady sy zava-mahadomelina ny klioba misehatra amin’ny fanaovana baolina kitra. Maro ny klioba na baolina kitra mitsangana eto amin’ny firenena ankehitriny. Entina mitaiza […]

Lefakozatra : aretina mahafaty raha tsy voatsabo ara-dalàna

Antony iray ma­hatonga ny aretina lefakozatra ny fiparitahan’ny tay eny ankalamanjana. Voakasika indrindra amin’izany, ny eto amin’ny faritra Analamanga. Tsy misy fanafody ny aretina fa ny fa­naovam-baksiny ihany no vahaolana amin’izany ka hanentanana ny rehetra. Entanina hanao vaksiny fanefitra sy miaro amin’ny lefakozatra (poliomyélite) ny olon-drehetra eo anelanelan’ny 0 hatramin’ny […]

Zaza roa maty : namosaviana tamin’ny mofo

Indray namoy ny ainy ny zavavavikely vao roa taona sy efa-taona, teny An­karao­bato. “Na­mo­saviana ta­min’ny mofoanana nisy poizim-boalavo izy ireo”, hoy ny fianakaviana. Vao hampidirina an-tsekoly amin’ity taona ity! Anisan’ireo namoy ny ainy vokatry ny fihinanana mofo nisy poizina i Nekena Laury, zazavavy 4 taona. Maty niaraka taminy ihany koa […]