Songadina

Kaominina Toamasina: mitaky fiovam-penitra mahery vaika ny fampandrosoana

Anisan’ny renivohitra ara-toekaren’ i Madaga­si­ka­ra i Toama­sina. Faritra iray, ifangaroan’ny foko maro samihafa ihany koa. Samy manana ny fomba fahitany ny fandrosoan’ny tanàna avokoa ireo rehetra ireo. “Tsy mifandanja ny zava-misy any an-toerana satria somary takona ny maha renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara azy”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy tao Toamasina, Rako­tonirina […]

Fiarovana ny tontolo iainana : omen-danja ny fampiasana ny arina maitso

Anisan’ny miaro ny tontolo iainana sy ahazoana tombontsoa ara-toekarena sy eo amin’ny fahasalamana ny fampiasana ny saribao maitso. Manome vahana ny fampiasana ireo akora tsy ilaina intsony ny fanamboarana izany. “Efa simba ny tontolo iainana ary mitarika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany noho ny fandripahana ala be loatra eto Madagasikara”, hoy Ramamonjisoa Tahinjanahary Sedera, mpitarika mpanampy […]

Fatana mitsitsy : mahasarika ny mpanjifa noho ny halafosan’ny saribao

Nampiasa kitay sy saribao avokoa ny 81% -n’ny tokantrano ma­lagasy teto an-drenivohitra sy tany Ambanivo­hitra, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny Birao nasionaly mom­ba ny antontanisa (Instat), tamin’ ny Novambra 2003. Mirona tsikelikely amin’ny fampiasana fatana mitsitsy ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Miroborobo rahateo koa ny fanamboarana izany eto an-toerana. Anisan’ny ahitana […]

Ramamimampionina Gerard-Noël : “Manampy olona mba hijoro amin’ny maha izy azy sy ho olombelona marina”

Anisan’ny olona tia mandray an­draikitra sy ma­nampy ny sahirana Ramamimam­pionina Gerard-Noël. Nandrisika azy hirona amin’izany, ny fahatsapany sy efa nilonany tao anaty fahantrana nandritra ny fahazazany, raha ny fanazavana. Tia mandray andraikitra amin’ny sehatra maro samihafa (eo anivon’ny fianakaviana, fiarahamonina, fiangonana ary eo anivon’ny fiainam-pirenena…) Ramami­mampionina Gerard-Noël. Miainga eo anivon’ny […]