Songadina

Fambolena holatra any an-trano: manome lanja ny fanajana ny tontolo iainana

Maniry any anaty ala ny holatra amin’ny ankapobeny. Manom­bo­ka mahazo vahana, ankehitriny, ny fambolena azy ireny any an-tra­no sy anaty toerana mihiboka. Mba hialana amin’ ireo karazana ho­latra tsy azo ha­nina sy mahafaty. Vanim-potoana hitsirian’ ny holatra (champignon) any anaty ala ny mangatsiaka sy misy erika, anisan’ izany eto Madagasikara. […]

Ara-tantara : nidika ho sikidy sy haingo teo amin’ny Malagasy ny tombokavatsa

Manana ny fototra mampiavaka azy ny fanaovana tombokavatsa manoloana ny tantaran’i Madagasikara. Misy dikany ny endriny, arakaraky ny faritra sy ny foko tsirairay avy. Zava-dehibe teo amin’ny Malagasy ny fanaovana izany. Anisan’ireo riba sy kolontsaina malagasy ary nanana ny naha izy azy teo amin’ny fiainan’izy ireo ny tombokavatsa, araka ny […]

Noho ny fari-piainana Mihamaro ireo fonenana tsizarizary   Misy eto an-dRenivohitra ny faritra antsoina hoe “La Réunion kely, bidonville ’’na fonenana tsizarizary. Fiainan’olona enyisan’andro ny mitrandraka fanariam-pako. Miverina mandraoka fako karazany maro ny olona miaina amin’io toerana io, ary mandahatra mivarotra izany eo aminy. Mahita 5 000 Ar isan’andro amin’ny […]

Tany sy trano: misy ny fepetra takiana ahazoana manofa na mividy

Azon’ny  vahiny atao, mandeha irery na anatin’ny fikambanana manaraka ny lalàna malagasy, ny mividy sy/na manofa tany sy trano eto an-toerana mandritra ny fotoana maharitra. Azon’ny vahiny maniry honina eto Madagasikara ny manao « bail emphytéotique » ho tambin’ny hofan-trano amam-bolana na aman-taona. Hahazoana manana fahafahana toy ny tompon-trano ny « bail » atao eto, […]