Miavaka raha samy sekoly fanofanana miaramila ny sekoly miaramilam-pirenena na Semipi izay nankalaza ny faha-100 taonany tao Beravina – Fianarantsoa, omaly. Taninketsan’ny foloalindahy malagasy ny sekoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rakotoarijaona Josoa. Tsy fanofanana fotsiny. “Mamolavola olom-pirenena vanona eo amin’ny fomba fisainana hatramin’ny fitondrantena”, hoy izy. Notoloran’ny […]
Songadina
Filoha Rajoelina Andry : nahavita be ny fitondrana !
Niara-nanamarika ny faha-100 taona ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), Fianarantsoa, ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo fianakaviamben’ny Foloalindahy, omaly. Nasongadiny tamin’ny lahateniny tamin’izany ny ezaka vitan’ny fitondrana. Mivahiny any Fianarantsoa nanomboka omaly, mitohy anio ny delegasiona tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Nitarika ny lanonana fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Sekoly miaramilam-pirenena na […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Manahirana ny fanovana lalàm-pifidianana”
Tsy manana fahefana hanova ny lalàm-pifidianana ny governemanta, volana vitsivitsy alohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. “Ny zava-misy: miroso isika, hataontsika araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ny fifidianana. Tsy maintsy amin’ity taona ity izany, izay takiana aminay mpitondra”, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny tatitry ny asan’ny governemanta, taona 2022, omaly. Fihaonana […]
Mpianatra novonoina : nogadraina ny sakaizany sy ny tompon-tranony
Ny faha-5 ny volana mey, hita faty nihantona tamin’ny manga i Salohy, mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga. Ahina ho namono azy ny sakaizany sy ny tompon-tranony. Olona efatra naiditra am-ponja afakomaly, taorian’ny fanadihadiana. Nidoboka am-ponja vonjimaika, afakomaly, ny sakaizan’i Salohy, ilay tovolahy namoy ny ainy, hita faty nihantona tao amin’ny faritry […]
Razanamahasoa Christine : “Fantatro saingy tsy holazaiko ny nandroba tao an-tranoko”
Nitondra fanazavana fohy, manoloana ny fandrobana ny tranony, ny alin’ny sabotsy teo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Mazava ny nambarany. “Mahafantatra ny nahavita izany aho ary tsy ahiahy intsony. Tsy holazaiko anefa izany na tena fantatro aza. Ijoroako ny fanahy mibitsika ato amiko amin’ny fahamarinana”, hoy izy. Nanteriny fa […]