Songadina

Banky iraisam-pirenena: mila jerena ny fampiasana ny angovo azo havaozina

Mamarana ny fotoam-piasany eto Madagasikara i Marie Chantal Uwanyiligira, solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena. Nisy, araka izany, ny fihaonana sy lanonana fanaovam-beloma ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny biraon’ny Banky iraisam-pirenena, eny Anosy, omaly. Fotoana izay nanaovany tombana ny asa vitany nandritra ny efa-taona niasany teto Madagasikara. Lohahevitra maro no noresahiny […]

Fanahiana kolikoly: naiditra am-ponja ny tale jeneraly vonjimaika, Cnaps

Naiditra am-ponja omaly, ny tale jeneraly vonjimaika mitantana ny Canps, i Tsaboto Joslina. Anisan’ny voalaza ho anton’izany ny kolikoly nataony amin’ny fampidirana mpiasa “Recrutement“. Niakatra  tetsy amin’ny fampanoavana, eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha ny alakamisy teo ny tenany. Efa ny zoma tamin’ny 2 ora […]

Fivoriambe ho an’ny famatsiam-bola any Paris: nitanisa ny ezaka vita ny filoha Rajoelina Andry

Nanomboka omaly, any Paris, ny fihaonana an-tampony momba ny Fifanarahana ho an’ny famatsiam-bola vaovao  “Sommet pour un nouveau pacte fiancier mondial”. Anisan’ny mikarakara izany ny eo anivon’ny Fida. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ka nambarany tamin’ny lahateniny fa mitana andraikitra lehibe amin’ny vahaolana maharitra hiatrehana ny […]

Lapan’i Mahazoarivo: nomena baiko hentitra ny mpitandro filaminana

Namory  maika ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana eo anivon’ny OMC/Nat, ahitana ny avy amin’ny Tafika sy ny zandary ary ny polisy sy ny eo anivon’ny prefektiora ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo. Hentitra ny toromarika tamin’izany.   Anisan’ny nodinihina sy nametrahana paikady ny lafiny filaminana sy ny fandriampahalemana, manerana […]

Vovonana Lera : “Tsy handray anjara amin’ ny diniky ny Ceni izahay”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Lera, omaly teny Tsimbazaza. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tena tonga ny fotoana “Lera”. Anisan’izany ny fitotongan’ny toekarena, ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa, ny tsy fandriampahalemana. Ny olan’ny fikarakarana ny fifidianana. “Tsy handray anjara amin’ ny dinika faharoa karakara­in’ny Ceni anio, izahay…”, […]