Songadina

Haitao ara-kajy mirindra : fanoitra tsy azo ihodivirana amin’ny fampandrosoana

Nisokatra, tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, etsy amin’ ny Novotel Alarobia, ny fikaonan-doha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra eto Afrika «Assises de la Transformation digitale en Afrique» (ATDA), andiany faha-12. Maharitra roa andro ny hetsika, hanomezana sehatra ireo mpikaroka iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy […]

Fifidianana filoham-pirenena : hentitra ny masontsivan’ny eveka amin’ireo ho kandidà

Namoaka hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem), omaly. Voa­resaka ny hiatrehana ny fifidianana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Eo koa ny ezaky ny fitondrana ary ny tsindrom-paingotra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka. Nampahatsiahy ny toetra tokony hananan’ny kandidà hofidiana ny eo anivon’ny Fem amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Hentitra ny masontsivana […]

Fanararaotana mpivavaka: Pasitera efatra voasambotra

Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Tao­rian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, […]

Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy idiran’ny resaka politika ny asan’ny Pac”

Nandiso ireo fanehoan-kevitra samihafa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy, omaly, tetsy 67ha. Notsiahiviny tamin’izany ny asan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac). “Tsy natao hanenjehana mpanao politika na koa hikendrena foko izatsy na izaroa ny Pac. Mametraka ny tany tan-dalàna isika ary miady amin’ny kolikoly ka tsy misy […]