Songadina

Lehilahy novonoina: nomena fampatoriana, notsatotsatohana antsy

Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana no­dorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina […]

Fizotry ny fiainam-pirenena : manahy krizy marolafy ny UNDD

Nivoaka ny fahanginany ary nanao fanambarana ny eo anivon’ny antoko UNDD, ny 13 mey teo. Nampaneno lakolosy izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny birao politikan’ny antoko tamin’ny fa­nam­barana, nosoniavin’ny fi­loha nasionaly vonjimaika, Manoro Regis, fa mandalo kihon-dalana sarotra eo am-baravaran’ny krizy marolafy mivaivay ny firenena. Nota­nisain’izy ireo ho anton’izany […]

Ambohitrimanjaka : jiolahy roa nitam-basy nandroba moto

Miova indray ny fanaon’ireo mpangalatra! Nirefotra indroa ny basy, jiolahy roa nitam-piadiana nangalatra moto teny am-pandehanana tetsy Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy nanampo na inona na inona ny tompony! Moto “scooter” marika Racing King, anisan’ireo hiaka farany, norobain’ny jiolahy roa lahy nitondra basy, tetsy Ambohitrimanjaka, oma­ly […]

Governora faritra Vakinankaratra : “Tahotra fifidianana ny fanaovana Tetezamita”

“Tahotra hiatrika fifidianana ny an’ny sasany. Mam­boly korontana etsy sy eroa, mampisavorovoro saim-ba­hoaka, mieritreritra hanao fitondrana Tetezamita hifampizarana seza… Avy eo, hanitatra izany Tetezamita izany ho teteza… miitatra.” Io ny fanahoan-kevitry ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato. ”Mampa­lahelo koa indraindray ny fihetsiky ny fiombonambe iraisam-pirenena sasantsasany: manome lesona, manery, manao […]

Antoko Fiombonana : “Mba tsy ho very maina ny ra latsaka”

Anisan’ireo nahatsiaro ny faha-51 taona ny tolon’ny mpianatra, ny mey 1972, ny antoko Fiombonana. Namba­ran’izy ireo fa manaja ny tantara nolalovan’ny firenena, mitaiza sy manabe taranaka izy ireo. Notsiahivin’ny Fiom­bonana, maro ny nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena. Vavolombelon’izany ireo raiamandreny, nitolona tamin’izany. “Tsy ho very maina ny herimpo sy ny ra […]