Songadina

Fananana tsy ara-dalàna: vola 5,720 miliara Ar, fiara 182 no nogiazana

Am-perinasa tanteraka ny ARAI,ilay rafitra napetraka hamerina amin’ny fanjakana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna. Efa nanageja vola 5,720 miliara Ar sy fiara 182 izy. “Efa be dia be ny kaonty any amin’ny banky voageja. Nefa tsy maintsy mifandray amin’ny banky izahay ma­nontany: ohatrinona marina ny vola amin’ireny kaonty ireny?”, hoy […]

Profesora Rasamoelina Henri: « Vahaolana amin’ny krizy ny fialana amin’ny fomba mahazatra »

« Tsy zava-baovao ny krizy sosialy sy toekarena lalovan’i Madagasikara », hoy ny mpampianatra mpikaroka Rasamoelina Henri. Nambarany fa mila miala amin’ny fomba nentim-paharazana isika raha te handroso. Gazety Taratra (*) : Pro­fesora, ahoana ny fahitanao ny toe-java-misy ankapobeny, miseho eto Madaga­sikara, ankehitriny ? Profesora Rasamoelina Henri (-) : Izaho aloha tsy gaga amin’ny fandehan-javatra […]

Fakana an-keriny tetsy Ankadindramamy : voasambotra ireo jiolahy nitaky 10 tapitrisa Ar

Tafaverina amin’ny ray aman-dreniny, omaly, ny za­zalahikely vao 7 taona, rehefa nalain’ny mpaka an-keriny teo an-tokotaniny tetsy Am­bohidahy Ankadindramamy, ny 13 avrily lasa teo. Voa­sambotra ireo mpaka an-keriny roa. Nitady vola 10 tapitrisa Ar tamin’ny ray aman-drenin’ny zaza nalainy ireto jiolahy ireto. Nilalao irery teo an-tokontany io zaza io ny […]

Halatra 10 tapitrisa Ar : roa lahy mpirafy no namono an-dramatoa

Anjeva Gara! Nalefa eny Tsiafahy ny vadin’ilay ramatoa novonoina. Migadra miaraka aminy ny lehilahy iray voalaza fa sakaizan’ny maty. Mifampiampanga izy roa lahy mpirafy. Mifamahofaho ny ra­haraha! Miandry ny datim-pitsarana ny olona voarohirohy mivantana na ahiana ho tafiditra tamin’ny famonoana ilay vehivavy, mpamongady legioma teny Anjeva Gara, ny talata 18 […]

Antananarivo Renivohitra : maro ny lalana ho tapaka manomboka rahampitso

Ho tapaka manomboka rahampitso ny ampahan-dalana maro eto amin’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Fiatombohany, tokanana rahampitso ny Foundation H etsy Ambatomena. Ho tapaka, noho izany, ny lalana Refo­tana, miainga eo amin’ny Ur­bania hatreo amin’ny Phara­macia Analakely, rahampitso manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Tsy azo aleha intsony koa ny lalana eo amin’ny […]