Toe-karena

Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely

Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambo­hitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely. Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra […]

Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana : nanome 67 tapitrisa dolara an’i Madagasikara

Mitentina 67 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) an’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampiroboroboana ny toekarena. Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Bad, ny zoma teo, ny fanomezana tohana ara-bola hatrany amin’ny 67 […]

Fampiroboroboana ny indostria : miara-miasa ny SIM sy ny fanjakana

Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM). Nifampidinika ny lalan-tsaina hampandrosoana ny sehatry ny indostria eto amin­tsika ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (Mic), Ralambofiringa David, sy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana, nandritra ny fihaonany tetsy Ambohidahy, […]

VAOVAO TAMBATRA

Hopotehina avokoa ireo vary stock 161 gony sy vary gasy 40 gony simba, taorian’ny fahavakisan’ ilay sambo nitondra azy. Vaky teo anelanelan’i Foul­pointe sy Mahambo, tamin’ny herinandro, iofitaovam-pitaterana io saingy niezaka ka tody soamantsara teny amorontsirak’i Mahambo ihany. Betsaka ireo entana nariana, teo koa ireo simba. Nanaiky ny hamotehana ireo […]

Haintany : may ny alan’Angavokely

Nirehitra efa nanomboka ny alatsinainy 9 septambra teo ny Tahirin’ala eny Angavokely, distrika Manjakandriana. Na­fana ny andro, nitsoaka ny rivotra, ka sarotra ny namonoana azy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, niisa 27 ny lohan’afo hita, ary tombanana fa mety niniana natao. Nihetsika daholo ny fokonolona sy ny komitin’ny Ala […]