Hifantoka manokana amin’ny sehatry ny fiompiana ny Drafitra fampiasam-bola ho an’ny fiompiana ho fanavaozana maharitra (PDSEM). Vina lavitr’ezaka, hanatsarana ny taranaky ny biby, ny fahasalamana, ny tsenam-barotra, sns. Miditra amin’ny fanavaozana lehibe ihany koa ny sehatry ny fiompiana amin’ny alalan’ny fandaharanasa PDSEM. Nasongadin’ ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny fambolena. Mandrafitra ny 30% ny harinkarena izy, 40% ny sehatry ny fanondranana ary mampiasa ny 70% ny Malagasy. Na izany aza, antsakasaky ny karaman’ny ankamaroan’ny tokantrano ny vola azo avy amin’ny sehatra. Ity farany izay mbola antoky ny fidiram-bolan’ny ankamaroan’ny tokantrano, izay mbola miaina ao […]
Fandaharanasa Creskèr : Tohana ho an’ny fampivoarana ny fandraharahana
Tonga eto Madagasikara ny Creskèr hanampy ireo mpandraharaha hampivelatra sy hampiroborobo ny orinasany amin’ny alalan’ny fandaharanasam-panofanana. Tanjona ny hanohanana ireo mpandraharaha manana andraikitra stratejika amin’ny fampivoarana ny orinasa hahafahany mandinika sy miatrika ny zava-misy sy hanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny andraikitra sahaniny. Tetikasa izay nampahafantarina tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny alakamisy […]
Banky AFG sy NIM: Fiaraha-miasa manakaiky ny mpanjifa
Sambany! Voalohany eto Madagasikara no nisian’ny fiaraha-miombon’antoky ny samy mpisehatra amin’ny tontolo ara-bola. Nampahafantarina omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky AFG sy ny Ivontoerana sampandraharaha ara-bola madinika vaovao (NIM). Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny NIM, Harizaka Rakoto, fa zava-baovao tokoa ity fiaraha-miasa ity. Mifameno ireo, koa, azo atao ny mikirakira vola […]
Siansa ara-pambolena: Hampitombo voka-bary 2 tapitrisa taonina fanampiny
Nihaona tamin’ny governemanta sy ny Banky iraisam-pirenena eto amintsika ireo tale jeneraly avy amin’ny ivontoeram-pikarohana ara-pambolena CGIAR. Nojerena ny paikady ahafahan’ny fikarohana ara-tsiansa manampy amin’ny fomba famokarana ara-pambolena sy ny rafitra ara-tsakafo. Nandray anjara tamin’ny atrikasa siantifika, natao teny amin’ny Oniveristen’ Antananarivo, ny 26 febroary teo, ireo Tale jeneraly (DG) […]




