Natao omaly 13 janoary, ny hetsika « Mizara hafaliana » an’ny orinasa Telma, ho an’ireo ankizy beazina ao amin’ny fikambanana Orchidée blanche, Androhibe. Hetsika manokana nentin’ity orinasa ity nisantarana ny taona vaovao 2024, sady nanatonana mivantana ny mpanjifa. Nisy ny fizarana kojakoja Telma samihafa (goodies), ho endrik’izay fizarana hafaliana izay. Nilaza Andrianarivony […]
Toe-karena
AGOA 2024 : mbola afaka manondrana entana i Madagasikara
Afaka manondrana entana eo amin’ny tsena amerikanina ka tsy andoavana haban-tseranana, toy ny teo aloha, ny vokatra avy eto Madagasikara mandritra ity taona ity, taorian’ny tombana nataon’ny governemanta amerikanina. Anisan’ireo firenena mbola hisitraka ny fanondranan’entana any amin’ny tsena amerikanina, amin’ny alalan’ny African Growth And Opportunity Act (AGOA), i Madagasikara amin’ity […]
Fimpima : Androm-pirenena ho an’ny kabary
Namoaka filazana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) ny 10 janoary teo, fa afaka mankalaza ny Androm-pirenena ho an’ny kabary ny fikambanana tsirairay. Ho an’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima), nosafidiny ny alatsinainy 15 janoary ho avy izao, etsy amin’ny Tranomboky monisipaly Analalakely, akaikin’ny fiangonana Katedraly. Manomboka amin’ny 10 ora […]
Tobin-drano Mandroseza : ho banga 1 900 m3 isan’ora ny famatsian-drano
Ho tapaka mandritra ny adiny valo (9 ora hatramin’ny 5 ora hariva) ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, anio 12 janoary. Antony, hamboarina ny ampahan’ny tambajotra N14 mamatsy herinaratra, manana tanjaka 5 000 V any amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Ho banga 1 900 m3 isan’ora ny famokarana […]
Fasankarana : mitohy ny asa fanamboaran-dalana
Mitohy ! Miverina nanomboka ny 5 janoary 2024 teo, ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RNT 58, mampifandray an’Ankadimbahoaka, Fasankarana, Jovena Anosizato. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny talen’ny Fotodrafitrasa, Razafindrianarivo Henri Jacob, ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), omaly. Miandraikitra ity fanarenan-dalana ity ny orinasa Colas, ao anatin’ny telo herinandro. […]