Toe-karena

Fiaraha-miasa COI : Rano fisotro madio eny Fieferamanga

Misy ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), andraisan’ny orinasa frantsay Fonto de Vivo anjara. Nidina any Fieferamanga, distrika Arivonimamo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny 21 avrily teo. Nojereny ny fivoaran’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Ankoho­nana Miarina ». Nampaha­fantarina ny fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny orinasa […]

Jirama sy Filatex: Hamokatra angovo 68,5 MW fanampiny

Miara-miasa ny Jirama sy ny vondrona Filatex Energies, hanitarana ny angovo herinaratra eto amintsika. Voakasik’izany ny hananganana fotodrafitrasa famokarana angovo azo havaozina sady azo avy amin’ny herin’ny masoandro, mitotaly 68,5 MW, ka hapetraka amin’ity taona 2025 ity ny 25 MW ary amin’ny taona 2026 ny 43,5 MW. Hampifandraisina amin’ny tambajotran’ny […]

Tohana ho an’ny tantsaha : Nanome masomboly voamaina 231 gony sy vary 719 gony ny Base

Mitsinjo ny fampivoarana ny fambolen’ny tantsaha ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny fanomezana masomboly voamaina sy vary fotsy. Miisa 18 ny fokontany ao anatin’ny kaominina Tsianisiha sy Anki­lima­linike, nisitraka fanampiana avy amin’ny orinasa Base Toliara, ny 18 sy 19 avrily teo. Nahitana masomboly kabaro miisa 133 gony sy vary fotsy […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 33 500 ha ny velaran-tany harenina ao anatin’ny tetikasa PLAE VI. Manodidina ny 20 000 ireo tokantrano hisitraka asa mivantana, mahatratra 22 300 ha kosa ny velaran-tany voajary tamin’ny fanaovana voly hazon’olon-tsotra, voly hazo ho ala kaominaly. Ao anatin’izany ireo ala fiarovana, ala vadimboly ary ny toeram-piraofana nohatsaraina. […]

Orange digital Center: Dingana ho an’ny fampiroboroboana ny nomerika

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia ireo ny trano vaovaon’ny Orange Digital Center, etsy amin’ny gara Soarano. Dingana lehibe amin’ny fampidirana sy fanavaozana nomerika eto Ma­dagasikara ny ataon’ny Oran­ge Madagascar. Nanohana talenta malagasy an’arivony teo amin’ny sehatry ny nomerika ny Orange Digital Center Madagascar nanomboka ny taona 2022, teny amin’ny […]