Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny prefet-n’i Mahajanga sy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (DRICC) Boeny, omaly. Raharaha maha voarohirohy azy ireo ny mahakasika ilay vary simba tanaty kaontenera miisa 50 tany an-toerana. Maromaro ny tomponandraikitra ambony avy any an-drenivohitr’i Boeny no nampiakarina aty […]
Toe-karena
Fanambarana hosoka: vatosoa 56,85 kg tratra teny Ivato
Nanao fanambarana diso ny karazana vatosoany ny olona dimy, ka teratany sri-lankey ny iray, omaly, teny amin’ny ladoany Mamory Ivato. Maherin’ny 56 kg ny lanjany, ka nogiazana avy hatrany. Entina tsirihina eny amin’ ny biraon’ny fadintseranana eny Mamory Ivato daholo ny harena an-kibon’ ny tany, indrindra ny tokony haondrana any […]
fambolen-kazo : ireo dingana tsy maintsy arahina
Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka izao. Mamokatra zana-kazo, ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd), manerana ny Nosy. Azo alaina maimaimpoana izy ireny, saingy misy ny fepetra sy ny dingana tsy maintsy arahina, satria tanjona ny hampahomby ny fambolena azy. Manao taratasy fangatahana ny mpamboly, herinandro mialohan’ny fotoana tena hambolena. Hita […]
Fizahantany : vao mainka hitombo ny mpitsidika amin’ny taona 2024
Afa-po ny tamin’ny taona 2023 amin’ny ankapobeny, ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. « Efa mifanakaiky ny vokatra azo tamin’ny taona 2019 ny zava-misy, ary manomboka miverina mitombo tsikelikely ny mpizahatany », hoy izy ireo. Matoky ny ho avy ! Velom-panantenana ny mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fizahantany eto amintsika, araka ny tatitry ny gazety boky Newsletter, […]
Taxi-be : mikasa hampiakatra ho 800 Ar ny saran-dalana ny mpitatitr
Niakatra ny saran’ny fikarakarana antontan-taratasy sy ny fiara mpitatitra eny anivon’ny Fitantanana foibe ny fiarovana ny fifamoivoizana (DGSR), nanomboka ny janoary 2024 teo. Hanao fivoriambe ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU) amin’ny talata 9 janoary izao, ka anisan’ny lahadinika ny hampiakarana ho 800 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be eto Antananarivo Renivohitra. […]