Toe-karena

Fanodinana fako: Hampiasa angovo madio ny 50% ny Malagasy

Hitondra vokatsoa amin’ny fitandroana ny tontolo iainana ny fahaiza-mitantana ny fako. Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fanodinana azy ho lasa vokatra azo ampiasaina ny famadihana ny fako ho lasa angovo. Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny fako tetsy amin’ ny Carlton, […]

Foibe Carso : Tohanana ny tanora amin’ny fandraharahana

Manomboka misy vokany ny fanohanana ny tanora amin’ny fandraharahana any Toliara. Homanina dieny aty am-boalohany koa izy ireo, ankehitriny, amin’ny fahatongavan’ny orinasa Base Toliara. Miara-miombon’antoka amin’ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria Toliara (CCIT) sy ny tetikasa Tendro iraisan’ny rehetra hisian’ny fampandrosoana (Pic), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ny Foibem-pandraharahana faritra Atsi­mo […]

VAOVAO TAMBATRA

Tombanana any amin’ny 15,93% ny asa vita fanarenana ny lalampirenena RN18 (Vangaindrano-Befotaka). Anisan’izany ny eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK136. Efa nahitana vokatra tsara ny fanamboarana ny ampahany tena ratsy (PK17+500). Namboarina ny lakandrano sy ny «dalot», ifehezana ny fikorinan’ny rano, indrindra ny PK5+500. Mamatsy vola ny asa ny fanjakana […]