Hapetraka amin’ity taona 2024 ity ny ozinina malagasy voalohany hanodina volamena. Hanana tahiry 4 taonina isan-taona no tanjon’i Madagasikara. Haodina eto Madagasikara ny volamena mialoha ny hanondranana azy, araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny alahady teo. Hapetraka amin’ity taona ity ny ozinina mpanodina volamena (raffinerie aurifère) voatrandraka sy […]
Toe-karena
Fampitomboana ny vokatra anaty rano: nandrotsahana zana-trondro 12 000 tao Andranobe
Fanamby apetraky ny fanjakana ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny sy ny fanampiana ny tantsaha mpiompy. Faritra maro nisitraka fizarana zana-trondro. Mitohy ny hetsika fampiroboroboana ny famokarana anaty rano. Nandrotsahana zana-trondro 12 000 tao amin’ny farihy Andranobe atsinanana, faritra Vakinankaratra ny talata teo. Hetsika natao vokatry ny fiaraha-miasan’ny mpanjono ao amin’ny […]
Manandriana: nahazo milina fanodinana voasary makirana
Ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny. Nisitraka ny taninketsa indostrialy, tamin’ny alalan’ny milina fanodinana voasary makirana, ny distrikan’i Manandriana, ny alarobia teo. Mpisitraka voalohany ny tetikasa ny vondron’ny kaoperativa izay ahitana kaoperativa 14. Nanatanteraka ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny milina tao Ambovombe Centre, ny […]
Jery todika 2023: mandeha ny fanamboaran-dalana
Nanana ny toerany tamin’ity taona 2023 ity, ny fanamboaran-dalana. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN9, ny RN44, raha mbola mitohy ny asa any amin’ny RN13. Notokanana ny volana aogositra 2023 teo ny lalam-pirenena RN9. Mirefy 165 km ny lalana natao godirao tanteraka, izay nizara roa. Eo Analamisampy hatrany Bevoay, […]
Tetikasa PSAE : nahazo tosika hamokarana asa ireo fikambanam-behivavy
Natolotra omaly, tetsy Andohatapenaka, ny valin’ny fifaninana ho an’ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny fokontany 10 hiasan’ny tetikasa tohanan’ny Développement et paix Canada, eto an-drenivohitra. Nokarakarain’ny «Programme de solidarité Andohatapenaka et Environnement» (PSAE), eo anivon’ ny CDA izany tetikasa izany. Sivy ireo fikambanam-behivavy nandray anjara. Nahazo ny loka mendrika, manodidina ny 8 […]