Mampifandray ny lalam- pirenena RN1 sy ny RN7 ny eo Anosizato, mianatsimo, mandalo Ampanefa Ankadivoribe, Antanetikely. Harenina ity lalana, mirefy 18 km, ity, ary ho vita ao anatin’ny enim-bolana. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 2 novambra 2023, ny asa fanamboarana ny lalana rezionaly eto amin’ny faritra Analamanga (RR-ALG-1), miainga eo Anosizato-sampanan-dalana […]
Toe-karena
Airtel Afrika : nitombo 9,7% ny mpanjifa manerana an’i Afrika
Nifarana ny 30 septambra teo ny fotoam-piasana, tao anatin’ny enim-bolana farany, ho an’ny vondron’orinasa Airtel Afrika. Any Nizeria ny foiben’ny vondrona. Sandam-bola ampiasaina ny Naira, ka tsy maintsy nahomby ny vokatra amin’ny ankapobeny, satria nitombo 9,7% ny isan’ny mpanjifa, manome 147,7 tapitrisa. Nitombo ny tolotra sy ny vola nokirakiraina, ka […]
Fampandrosoana ara-bola : mampiroborobo ny tahirim-bola ny Smmec
Natokana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 okrobra. Tanjona ny hampandrosoana ny fampiasam-bola, hampiroboroboana ny seha-piharian’ny sokajin’olona samihafa. Anisan’ny nankalaza izany ny Orinasa iombonana ho an’ny fitahirizam-bola sy ny fampindramam-bola (Smmec). Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 oktobra teo. Anisan’ny nankalaza izany ny orinasa iombonana ho an’ny […]
Voaaro ny ala: miroborobo ny fiompiana tantely sy trondro
Mirona miompy tantely sy trondro ny tantsaha. Fihariana mora atao, nefa tena mampidi-bola. Randrianoavy François, filohan’ny fikambanan’ny mpiompy tantely, pasitera: Miisa 6 ny tranon-tanteliko tany am-boalohany, ary niampy 12 hafa. Indroa mandrava tantely isan-taona, fa efa intelo nanomboka ny taona 2023. Nahazo tantely 35- 40 kg ny taona 2021, nitombo […]
Sekoly maitso: fitaratra ny any Anevoka Maromizaha
Isan’ny sokajiana sekoly maitso, fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny EPP Anevoka any Maromizaha. Misy ny fandaharam-pianarana manokana ianaran’ny mpianatra, isaky ny alarobia. Nambaran’i Madame Léa, mpampianatra, fa ampahafantarina azy ireo ny fisian’ny ala voajanaharin’i Maromizaha, ny lanjan’ny zavamananaina. Nefa koa misy ny tsindry mahazo azy, ka mila arovana. […]