Toe-karena

Fankalazana ny 8 marsa : tohana avy amin’ny vehivavy mpiasan’ny Star

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny vehivavy mpiasan’ny orinasa Star, omaly. Hetsika “sosialy tomponandraikitra” no nataon’izy ireo, nanome fanampiana ny reny sy ny zaza tany amin’ny toerana miisa 13 (Antananarivo, Andranovelona, Ambatolampy, Antsirabe, Antsiranana, Nosy Be, Ambanja, Sambava, Toamasina, Moron­dava, Manakara, Ihosy, Toliara) ahitana ny orinasa. Nizarana […]

Tetikasa Padap : nahatratra 4 360 ha ny velaran-tany voajary

Anisan’ny nisitraka ny tetikasa Padap ny faritra Analanjirofo. Maro ny fotodrafitrasa vita amin’ny fanajariana ny lemaka sy ny fikarohana lalam-barotra ho an’ny tantsaha. Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 sy ny 29 febroary 2024 teo, tany Vavatenina sy Soa­nierana Ivongo, faritra Analan­jirofo, ny Tetikasa ho an’ny famokarana maharitra mitsinjo ny […]

Ao anatin’ny 100 andro : volamena 500 kg haondrana ara-dalàna

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanomezan-danja ny sehatry ny volamena. Hapetraka ny fa­nadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale). Hisy koa ny fanadihadiana lalina mialoha ny fananganana ny fotodrafitrasa ao anatin’ny 100 andro. Tanjona, araka izany, ny hanondranana volamena milanja 500 kg amin’ny fomba ara-dalàna mandritra io vanim-potoana io. Noho izany, hentitra ny […]

« TBF -7 » : hampiroboroboana ny fizahantany anatiny

Hatao ny 15-17 marsa ho avy izao ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” (TBF), andiany fahafito. Miara-mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) sy ny Ofi­sim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Etsy amin’ny zaridaina an’ Antaninarenina ny toerana hanaovana azy, entina hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, sady hanohanana […]

Base Toliara : Mandroso ny fikarakarana ny fisokafany

Manafaingana ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy, anisan’ny fanoitran’ny fampandrosoana. Mandeha ny fifampidinihana manodidina ny tetikasa momba ny harena an-kibon’ny tany. Nam­­baran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakoto­ma­lala Herindrainy, tao amin’ny televiziona malagasy, ny alatsinainy 4 marsa […]