Ramatoa Voahangy, mpahandro: Anisan’ireo ray aman-dreny nisitraka fanafody maimaimpoana nozarain’ny Gerp aho. Tratry ny bilariziaozy ny zanako tamin’ny 2015, satria naloto ny rano. Niantohan’izy ireo ny fitsaboana ny zanako, nentina tany amin’ny CSB II Andasibe. Misitraka ny tohana amin’ny fambolena izahay, toy ny teknikam-pambolena, ny fizarana masomboly (tsaramaso, voanjo,…). Ao […]
Toe-karena
Nivoatra ny fihariana : misy amin’ny tantsaha lasa mpandraharaha
Nanome fiofanana mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana isaky ny seha-pihariana ary ny fitantanana ny Gerp. Misy amin’izy ireny no efa mahaleotena tanteraka. Nisandrahaka sy nitombo ny seha-pihariana, toy ny fambolena ara-teknika, ny fiompiana. Tsy sarotra rahateo ny lalam-barotra, mitondra fampandrosoana eny ifotony. Rtoa Rasoarimanana Suzane Régine, tantsaha mpandraharaha: Anisan’ny […]
Naina, mpiseradia anaty ala
Nandimby ny raiko izay mpisera-dia ho an’ny fikarohana tao amin’ny Gerp aho, nanomboka ny taona 2016. Lasa mpitari-dia ho an’ny mpizahatany nanomboka ny 2019. Nampianarina hahay teny vahiny, ny karazan-javamaniry sy biby ao anaty ala, toy ny sifaka, ny babakoto, ny sahona, ny vorona, sns. Eo koa ny fahaizana mandray […]
Fiarovana ny ala: asa vaovao ho an’ny mponina
Misy asa vaovao niforona ho an’ny mponina, hiaro ny ala, toy ny mpisafo ala, ny mpiambina, ny mpitari-dia ho an’ny fikarohana sy ny fizahantany, ny mpamokatra zanakazo, sns. Manohy ny velon-tena andavanandro, mamboly sy miompy koa anefa izy ireo. Rakotoarimanana Jean Louis, mpamokatra zanakazo : Mahalala karazana zavamaniry an’ala fanao fanafody […]
“Aotra afo” any Maromizaha: Arovana ny voahary, miova ny toe-tsaina
Tsy nahitana afo intsony ny atialan’i Maromizaha, hatramin’ny niarahan’ny Gerp sy ny mponina nitantana ity Faritra arovana ity. Nivoatra ny velon-tenan’ny mponina ary niova ny toe-tsain’izy ireo. Anisan’ny marefo manoloana ny tsindry amin’ny tontolo iainana ny alan’i Maromizaha, 140 km miala an’Antananarivo, manamorona ny lalam-pirenena faharoa RN-2. Nahazo ny sata […]