Toe-karena

Arahi-maso akaiky : misy mikasa hanao trafika any amin’ny morontsiraka atsinanana

Nahazo vaovao ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana fa misy ny fikasana hanao trafika na zavatra an-tsokosoko any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara. Norasina ny fepetra hanamafisana ny fanaraha-maso, noho izany. Saro-pady ho an’ny fadin-tseranana malagasy ny lafiny fanaraha-maso. Manao hetsika manokana, fi­safoana ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara ny sam­pandraharahan’ny ladoany, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena […]

Orinasa Cementis : simenitra lakaoly «Raikitra»

Mivoatra sy mandroso ny fanaovan-trano. Hamoaka vo­katra vaovao ny orinasa mpamokatra simenitra Cementis. Nampahafantarina ny mpitsidika ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH) eny amin’ny Zone Forello izany ankehitriny, izay haharitra hatramin’ny alahady 22 oktobra 2023. Simenitra lakaoly, antsoina hoe «Rai­kitra», ampiasaina amin’ny fametahana « carreaux ». An-taonany maro ny fikarohana […]

Fotoam-pahavaratra: nivoaka ny Tetiandrom-pambolena

Natao omaly, ny atrikasa mikasika ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2023-2024. Ilaina ny hamantaran’ny rehetra, satria marefo, mora iharan’ny loza voajanahary i Ma­da­ga­sikara. Iankinan’ny sehatra samihafa koa, toy ny lafiny fahasalamana, ny fambolena, ny fiompiana, ny fiahiana ara-tsosialy, sns. Nanohana ity atrikasa ity ny Fandaharanasa misahana ny ara-tsakafo maneran-tany (Pam). Nampahafantarina tamin’ny […]

Banky iraisam-pirenena : mila mahaleo tena ara-toekarena ny vehivavy

Manohana ny tovovavy sy ny vehivavy malagasy hahazo fampianarana sahaza sy hahaleo tena ara-toekarena ny Banky iraisam-pirenena. Hanatanterahana izany ny fandaharanasa hampahaleo tena sy hiatrehana ny fiainan’ny vehivavy aty Atsinanan’i Afrika (ERGER). Hanatsara ny fanabeazana sy ny fidiram-bolan’ ny tovovavy sy ny vehivavy ity fandaharanasa vaovao ity. Anisan’ny ifantohana ny […]

Fitsinjovana ny tontolo iainana : azon’ny Ravinala Airports ny loka ACI Afrika

Orinasa mitantana seranam-piaramanidina voalohany aty Afrika, nahazo ny loka iraisam-pirenena ACI “Africa En­vironment and Sustainable Development Awards” ho an’ ny taona 2023. Tanteraka izany vokatry ny asa nataony tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be. Anisan’ny singa sy fepetra takina ahazoana ity loka ity ny lafiny fitsinjovana […]