Toe-karena

Banky foiben’i Madagasikara : niakatra ny tahan’ny zanabola

Nivory omaly 8 aogositra, ny vaomieran’ny vola ao amin’ ny Banky foiben’i Mada­gasi­kara (BFM). Tinapaka fa hampiakarina ny tahan’ny zanabola ao aminy ho an’ny bankim-barotra. Niakatra ho 9% ny tahan’ny zanabola ho an’ny fametrahana vola (facilités de dépôt), ary lasa 11% ny tahan’ ny findramam-bola (facilités de prêt marginal). Nahatonga […]

APMF Mahajanga : manan-danja ny aroloza

Nihaona tamin’ny mpiasan’ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any Mahajanga ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, ny he­rinandro lasa teo. Nanotrona azy koa ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga. Nohamafisiny fa manan-danja lehibe amin’ny fandrindrana ny asa an-dranomasina ny fanajana […]

Faritra Vakinankaratra : nahatratra 561 000 t ny vary vokatra ny taona 2022

Maro ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) any amin’ny faritra Vakinankaratra, nanomboka ny taona 2019, 2020, 2021 ary ny 2022. Nahatratra 30 ha ny velaran-tany vaovao nohajariana ary 857 ha ny nasiam-panavaozana. Tsy nitsaha-nitombo koa ny voka-bary satria nilan­ja 352 959 t ny taona 2019, niakatra 453 651 t ny […]

Nosy-Be: mpizahatany 39 000 tonga tao anatin’ny telo volana

Mihamahazo vahana ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be amin’izao fotoana izao. “Tao anatin’ny telo vo­lana, nahatratra 39 779 ireo mpizahatany tonga ao an-toerana nanomboka ny volana mey ka hatramin’ny volana jolay teo”, hoy ny tale mpanatanteraka ny ORTN Nosy-Be, Randrianjafinirina Gerardo. Tsara ny tsena ho an’ireo mpivarotra kojakoja fahatsiarovana sy […]

Fanamboarana fotodrafitrasa: hasiana fitarihan-drano ao Betroka

Anisan’ny misedra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa toa ny tambazotra fitarihan-drano ao Andriabe, kaominina Mahasoa atsinanana, distrika Betroka. “Mbola ambany ny tahan’ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny tany trandra­hana. Zara raha misy 10ha ny velaran-tany azo trandrahana ary 1,5t/ha ny taham-bokatra azo amin’izany ka manome 15t”, hoy […]