Toe-karena

Herinaratra : andrasana ny tetikasa Volobe II Toamasina

Anisan’ny nandray anjara nandritra ny hetsika ara-toekarena faritra Atsinanana (1-3 desambra) sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (23-25 oktobra) teo ny tetikasa Volobe II. Efa nanaovan’ny governora Rafidison Richard Théodore, antso avo, nandritra ny fanokafana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo, ny tokony hanomezana ny fahazoan-dalana hiasan’ny tetikasa ataon’ny […]

Fandaharanasa: produir Nijery ifotony ny asa ny Banky Iraisam-pirenena

Anisan’ny notsidihin-dRtoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena, misahana ny ilany andrefana sy atsimon’Afrika, ireo tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Isan’izany ny Fandaharanasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny voina eto Antananarivo (Produir). Notsidihin-dRtoa Victo­ria Kwakwa, ny asa fanarenana ny fefilo­han’Ikopa sy Sisaony, ny 5 desambra teo. Mizara […]

“Archipelagic and Island States forum”: ahafahana mamokatra angovo ny lomo-dranomasina

Nandray anjara tamin’ny « Blue Innovation Solution Conférence », fikaonandoha hitadiavana ireo fomba fiasa vaovao hiarovana ny harena tontosaina ao Indonesia, ny solotena malagasy notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly. Nodinihina tamin’izany ny paikady iraisana amin’ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fitantanana ny harena an-dranomasina amin’ny […]

Minisiteran’ny Toekarena sy ny vola: manentana ny mpiasa rehetra hiady amin’ny kolikoly

Ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ady amin’ny kolikoly, 9 de­sambra, ny minisitera’ny Toekarena sy vola, manokana herinandro hiadiana amin’ny kolikoly nanomboka omaly 5 desambra. Voalohany ny misy hetsika fanentanana toy izao fa ny ady mitohy hatrany eto amin’ny firenena manamarika io fotoana io. Tanjona ny hampahafantatra sy hampandray anjara […]

Antananarivo: tsy misy fiantohana ny ankamaroan’ny trano fonenana

Tsy mbola tena ao anatin’ny kolontsaina malagasy sady hatramin’izao tsy teren’ny lalàna ny hananana fiantohana momba ny trano, indrindra ny trano hipetrahana. Mitondra fanazavana momba izany fiantohana trano trano izany Atoa Napoke Christian, ao amin’ny Trano fiantohana Aro. Manana traikefa manokana ny fiantohana trano an’ny sarambabem-bahoaka na trano lehibe indostrialy […]