Lany teny amin’ny Antenimierandoholona nandritra ny fivoriambe, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Hojerena manaraka ny famoahana ny didy fampiharana, hahafahana misitraka ireo tombontsoa samihafa. Ainga vao sy hitondra fampandrosoana eny ifotony ity lalàna ity. “Raha miresaka kaoperativa dia miresaka fihariana isika, miresaka ihany koa fiveloman’ny mponina eny ifotony”, […]
Toe-karena
Tontolo iainana: Ilaina ny tamberin’andraikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina
Manan-danja eo amin’ny famokaran’ny orinasa iray sy ny toekarena ny fiarovana ny tontolo iainana. Adidy miandry azy ireo ny fikolokoloana ny zava-mananaina sy ny rohivoahary. Manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mpiara-belona ny sehatra tsy miankina. Mba hahafahany manitatra sy mampaharitra ny andraikitra sahaniny izany. Antony nahatonga […]
Tetikasa Rindra : hampangarahara ny fitantanana ny asam-panjakana
Haharitra dimy taona ny fanatanterahana ny tetikasa “Rindra” eto Madagasikara. Tanjona ny hampangaraharana ny fitantanana ny asam-panjakana. Nifarana ny 16 jona lasa teo ny atrikasa, naharitra telo andro, hanatanterahana ny tetikasa “Rindra”. Notanterahina tany amin’ny distrika telo (Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Soanierana Ivongo) sy kaominina 14 anatin’ny faritra Analanjirofo. Nanomboka niasa […]
Atsimo Andrefana : olona maherin’ny 3 000 nilahatra manohana ny Base Toliara
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena ireo mpanohana ny orinasa Base Toliara. Maherin’ny 3 000 no nilahatra. Mivondrona anaty fikambanana miisa 30. Ahitana ny mponina akaiky ny toeram-pitrandrahana fasimainty, ny ao Toliara an-tampon-tanàna, hananganana ny toerana hanondranana ny vokatra, sns. Anisan’ny antso avo nataon’ny solontenan’ny fikambanam-behivavy […]
Niverina ny Corsair : mitombo isa ny zotra ana habakabaka
Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Airbus 330neo, an’ny kaompania Corsair. Niverina izany telo taona aty aorian’ny nampiantoana azy. Nigadona, omaly 28 jona tamin’ny 1 ora sy sasany, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny fiaramanidina Airbus 330neo an’ny kaompania Corsair, niainga avy any Paris. Nilaza ny filoha tale jeneraly […]