Toe-karena

Janoary 2024 : nampidi-bola 234,4 miliara Ar ny fadintseranana

Tsara fanombohana ny taona ho an’ny fadintserana malagasy. Mitotaly 234,4 miliara Ar ny vola nampidiriny ao anatin’ny kitapombolam-panjakana, ny volana janoary. Tsara ny vokatra ho an’ny fadintserana malagasy. Ny volana janoary teo, mahatratra hatrany 234,4 mi­liara Ar ny vola nampidiriny ao amin’ny kitapombolam-panjakana. Niakatra ho 243,3 miliara Ar izany vola […]

Conférence des parties-COP 11: handray ny fihaonambe i Madagasikara

Hotanterahina eto Antana­narivo, ny 10 ka hatramin’ny 16 jona ny « Conférences des parties » (COP11) de la convention de Nairobi, andiany faha-11. Filohan’ny biraon’ny convention nanomboka ny taona 2022 hatramin’ity taona 2024 ity i Madagasikara ka hampiantrano izao fivoriambe iraisam-pirenena izao. Ha­songadina mandritra io fotoana io ny ezaka ataon’ny fanjakana mahakasika […]

TETIKASA EAGER: hovatsiana vola 180 tapitrisa dolara

Mitentina hatrany amin’ny 180 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ny tetikasa « Autonomisation et résilience des filles en Afrique de l’Est” (EAGER). Natao hampiakarana ny tahan’ny ankizivavy hianatra sy hahaleo tena ara-toekarena izany. Hisitraka ny tetikasa ny faritra 16 izay tena mbola hita fa vitsy ny vehivavy manana fihariana ka mila fanampiana […]

« Grand salon économique de Madagascar »: hanome lanja ny toekarena malagasy

Hampivondrona ireo mpandraharaha isan-karazany ny « Grand salon économique de Madagascar », izay hatao ao Toamasina, mandritra ny telo andro. Hifampizara traikefa ny samy mpandraharaha, hampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana. Hanehoana ny vokatra ataon’ireo mpandraharaha samihafa sy ho fampiroboroboana ny toekarena malagasy ny  « Grand salon économique de Mada­gascar » andiany voalohany. Hetsika hatao […]

Tontolo maitso: hambolena hazo 40 000 ha ny faritra 23

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo manerana ny Nosy. Ankehitriny, velaran-tany 19 423 ha no efa voavoly hazo hatramin’ny niandohan’ny taom-pambolen-kazo 2023-2024, izany hoe, 48,56% ny tanjona nofaritana. Tanjona ny hamboly hazo amina velaran-tany 40 000 ha amin’ireo faritra 23, ho an’ity taona ity, raha toa ka amina velarana 75 000 ha […]