Toe-karena

Fanatontoloana teknolojika: loharanom-pahalalana sy mampiroborobo ny toekarena

Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny fikirakirana ny teknolojia. Hahafahana mandranto fahalalana sy manangana tetikasa entina manatsara ny toekarena. Izay ny tanjona apetraky ny fikambanana OPTA. Mampisokatra lalana ma­ro samihafa ny fahaizana mikirakira ny teknolojia. Mampahafantatra ny zo sy andraikitra miandry ny tsirairay izy, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fidiram-bola […]

Fikambanana TA.FI.TA: Mampidi-bola ny fanodinana ny fako

Fikambanana iray mpanodina fako ho lasa vokatra azo ampiasaina andavanandro ny «Tanjona ny fivoaran’ny tanora » (Tafita). « Te hampahafantatra ny rehetra izahay fa azo aodina tsara ny fako mba hampihenana ny loto eny anivon’ny tontolo iainana », hoy Rasoanatoandro Perline Lalao, filohan’ny fikambanana. Araka izany, manangona fako toy ny plastika sy ny baoritra […]

Faritra arovana any Boeny: avo dimy heny ny sanda ara-toekarena

Anisan’ny Faritra arovana (AP) any amin’ny faritra Boe­ny, ny tandavanala Mahavavy Kinkony (CMK), Antrema ary Ankarafantsika. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Tahi­rimbola ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo iainana eto Madagasikara (FAPBM), ma­nan-danja, avo dimy heny, ny anjara toekaren’ireo harena voajanahary raha oharina amin’ny sara-pitantanana isan-taona. Mitentina 101,649 miliara Ariary (23 264 […]

Banky Iraisam-pirenena: 1 250 miliara dolara tokony hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Ho an’ny Banky Iraisam-pirenena, tokony hoentina miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny volabe entin’ireo firenena hanohanana seha-pihariana vao mainka manapotika ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fandaniana amin’ny fambolena sy ny solika. Namoaka tatitra ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny 15 jona 2023 teo, tany Washington, fa maro ny firenen-dehibe mandany vola fahatany […]