Nosantarina omaly, ny fankalazana ny faha- 63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, tantanin’ny Ravinala Airports S.A. Taorian’ny fananganan-tsaina, nisy ny tranoheva mampahafantatra ireo sampandraharaha mifarimbona amin’ny asa andavanandro, ny fiarovana sy ny fiantohana ary ny vonjy taitra an’ity seranam-piaramanidina ity. Anisan’izany ny zandarimaria, ny polisim-pirenena manara-maso […]
Toe-karena
Lafo ny katsaka: nihena 50% ny mpiompy akoho
Tandindonin-doza ny seha-pihariana akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Nampahafantatra ny zava-misy ny fikambanana, vovonana iraisan’ny mpisehatra matihanina amin’ny seha-pihariana akoho eto Madagasikara (IPA), omaly. Misedra olana ireo mpiompy akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Midangana ny vidin’ny sakafo fototra, indrindra ny katsaka. Nilaza i Anjaratiana Nomenjanahary, mpiompy […]
CT Motors sy PAMF: hahazo fiara ireo manana anton’asa
Tontosa omaly, ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona CT Motors sy ny Banky mpampindram-bola Première Agence de Microfinance (PAMF), tetsy Andraharo, omaly. Natao hampidinana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara, manampy ny mpanjifa hisitraka vokatra mivantana eo anivon’ny orinasa CT Motors ity fiaraha-miasa ity. “Afaka mivadika ho tompon’ny Tuktuk entiny […]
MCB sy ny Sunref: famatsiam-bola ny tetikasa maitso
Natao, omaly, ny atrikasa mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Sunref, fitaovana iray hanafainganana ny tetikasanao sy ahitana fahombiazana ». Nandray anjara tao ny avy amin’ny banky MCB sy ny teknisiana ao amin’ny Sunref (Famatsiam-bola ny fampiasana ny angovo maharitra sy ny harena voajanahary). Notombanana ny fandrosoan’ny asa manerana ny Nosy, izay tena […]
QMM sy ny fanjakana: nofoanana ny trosan’ny fanjakana 77,2 tapitrisa dolara
Tapitra ny febroary 2023 teo ny fe-potoana 25 taona, nifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny QMM. Naverina nodinihina ny fifanarahana ka notsinjovina ny hahazoan’ny firenena malagasy tombontsoa. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herinandrainy, omaly, mikasika ny fifanarahana vaovao nataon’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Nisy […]