Vavahady hidirana eto Madagasikara ny fokontanin’Ivato, toerana hananganana ny Village artisanal, ho fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana malagasy. Hita eny an-toerana avokoa ireo karazana asa tanana sy vokatra mampiavaka ny Nosintsika. Hisy ny toerana ho an’ny varotra fampirantiana sy fampisehoana ny fahaizan’ireo mpanao asa tanana. Vita tanteraka ankehitriny […]
Toe-karena
Angovo fandrahoan-tsakafo : mampiasa kitay sy saribao ny 95% ny Malagasy
Tafiditra ao anatin’ny fampiasana angovo azo havaozina ny fandrahoan-tsakafo madio. Tanjona ny tsy hiankinandoha amin’ny fampiasana kitay sy saribao be loatra intsony. Natomboka omaly, ny famolavolana ny Politikam-pirenena hampiroboroboana ny fomba fandrahoan-tsakafo madio eto Madagasikara. Miaraka mikaondoha amin’izany ny fanjakana, ny vondrona olona eny ifotony, ny sehatra tsy miankina, ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hojerena ireo tetikasam-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano lehibe, toy ny Mahavola izay hamokatra 300 MW. Eo ihany koa ny ao Antetezambato izay hamokatra herinatra 142 MW, Sahofika 192 MW, Volobe 120 MW. Hamokatra herinaratra 6MW ny riandrano ao Mandraka, 56 MW ho an’Ambodiroka, 10,5MW ho an’Ankelimahery raha 56,6MW kosa ho […]
Fiantraikan’ny delestazy : matiantoka tanteraka ireo orinasa madinika
Potika ny fihariana. Miteraka fatiantoka goavana ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany miankindoha amin’ny herinaratra ny delestazy lavareny. Voatery mampiato ny asany sy miandry ny fiverenan’ny herinaratra izy ireo. Vokany, mihena ny fidiram-bola, tsy afa-manoatra ihany koa fa tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ireo tompona orinasa. “Angatahanay kosa […]
Fihaonana an-tampon’i Afrika : Solontena i Helisoa Mampionona
Hotontosaina any Addis Abeba, ny 14 hatramin’ny 16 oktobra ho avy izao, ny fihaonana an-tampon’ireo tanora aty Afrika. Hifanakalo hevitra mahakasika ny fitsinjaran-tsakafo sy ny “agroécologie” izy ireo. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka Andrianarimalala Helisoa Mampionona no hisolontena ny Malagasy amin’izany. Ny resaka momba ny fandraharahana eo […]




