Tanterahina etsy amin’ny Novotel Alarobia, nanomboka omaly hatramin’ny zoma izao, ny atrikasa momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria eto Madagasikara (Journées de programmation industrielle). Dinihina mandritra izany ny tondrozotra mazava hampiroboroboana ny indostria eto amintsika. Ao koa ny dinika niarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny “dialogue […]
Toe-karena
Tetikasa Art et biodiversité : misokatra ny fifaninanana
Nisokatra nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 jolay izao, ny fifaninanana tetikasa “Art et biodiversité”, andiany faharoa. Atao izao hanamarihana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, ny 22 mey lasa teo. Natao ho an’ireo mpanakanto sy fikambanana misehatra amin’ny tontolo iainana ity fifaninanana karakarain’ny Fondation des aires […]
Tohana Star: nahazo fotodrafitrasa i Mahazina Ambatolampy
Mitohy ny anjara biriky entin’ny orinasa Star amin’ny fampivoarana ny mpiara-monina eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy (RSE). Anisan’ny nisitraka izany ny any Mahazina, distrika Ambatolampy, toerana misy orinasa Star. Notokanana ny 23 mey teo ny efitrano sekoly vaovao miisa roa, ho an’ny ambaratonga fahatelo. Efa misy latabatra sy dabilio […]
Fanarenana ny endri-tany sy ny atiala : natsangana ny tetikasa “Tefiala” hanarenana ny ala simba
Mila arenina ny tontolo iainana mba hanatsarana ny endri-tany sy ny atiala ary ny fiveloman’ny vondron’olona ifotony. Tafatsangana ny tetikasa “Tefiala” hiasana mandritra ny dimy taona hanarenana ny tany sy ny ala simba amina velaran-tany 4 tapitrisa ha. Fanatsarana mirindra ny endri-tany sy fanarenana ifotony ny atiala amina velaran-tany mirefy […]
Branchement mora : tokantrano 200.000 hisitraka ny tetikasa
Hatomboka amin’ity herinandro ity ny fametrahana ireo kaontera 5.000 isa avy amin’ny orinasa Jirama. Andrasana afaka herinandro vitsy kosa ireo 20.000 ambiny sy ny manaraka rehetra. Araka izany, ho tonga eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy ireo teknisiana, ho an’ireo mpanjifa eto Antananarivo izay nahaloa ny “devis” 30.000Ar. Efa misy fahana […]