Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Manakaiky ny ampahefatry (1/4) ny asa ny fanamboarana ny lalana fivoahana haingana (voie rapide) mampitohy ny RN2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tokony ho vita amin’ny volana mey 2026 ity asa ity, mirefy 9,6 km, tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Ho ampiasain’ny fanjakana ny ambim-bolan’ny Fidirambolan’ny fanjakana madiodio (Rpi) tsy lany tamin’ny […]

Tetikasa PTaso : hampandroso ny indostrialy

Hampihena ny fanafarana vokatra ara-pambolena voahodina sy hanatsara ny fiarovana ara-pahasalamana ary hanatsara ny fahaiza-manao eo amin’ny mpamboly mpandraharaha ny tanjon’ny tetikasa PTaso. Hampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana ihany koa. Ankehitriny, mametraka ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny […]

Angovo azo havaozina : hizara traikefa ireo matihanina

Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio. Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, raham­pitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamoka­rana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Volavolaina ny didim-panjakana mifehy ny vidin’ny herinaratra, ho an’ny mpisehatra amin’ny herinaratra. Mandray anjara amin’izany ny teknisian’ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny ORE, ny Jirama ary ny Ader. Manohana ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena miaraka amin’ny kabinetra matihanina. Miisa 22 ny mpanjono any Farafangana miofana mikasika ny Rafitra amin’ny loza […]

Hanamafy ny fahaiza-manaony : Malagasy 14 hianatra sy hiasa any Japon

Hanainga, anio, ny ampahany amin’ireo Malagasy 14 mianadahy nisitraka vatsim-pianarana any Japon, raha amin’ny herinandro ho avy kosa ny ampahany manaraka no hiala eto an-tanindrazana. Ny dimy amin’izy ireo no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fampi­a­narana, ny Kolontsaina, ny Fanatanjanhantena, ny Sian­sa ary ny Teknolojia japoney ka ny efatra hianatra […]