Nahavaky lalam-baovao, lalan-tany 22 km mampifandray ny fokontanin’Ambalatenina avaratra sy ny renivohitry ny kaominina Andodabe tonga hatrany amin’ny kaominina Ampisokina, distrika Toamasina II ny fitondram-panjakana. Natao izao mba hampifandraisana ny faritra sy hanamorana ny fampandrosoana ary ny famoaham-bokatra any an-toerana. Tombontsoa ho an’ny mponina ity fotodrafitrasa vaovao ity noho izy […]
Toe-karena
Hetsika ATDA : nampiseho ny fahaizany ireo start up 12
Sehatra iray nentin’ireo mpandraharaha 12 isa mahazo tosika avy amin’ny NextA ny hetsika fikaonandoha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra eto Afrika « Assises de la Transformation digitale en Afrique » (ATDA) andiany faha-12, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Novotel. Samy nampiseho ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry […]
Herinaratra : miverina ny fahatapahan-jiro lavareny
Mahery vaika indray ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maro ireo zavatra simba, mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina. Vao iray volana izay, nisedra delestazy navaivay ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankehitriny, miverina sahady ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny. Velon-taraina tanteraka ny mponina amin’ny afitsoky delestazy. Potika ny fihariana […]
Sehatry ny jono : nojerena ny orinasa Polyma
Anisan’ny fitaovana manan-danja amin’ny fanjonoana ny fananana sambo entina mampiroborobo ity seha-pihariana ity. Araka izany, nitsidika ny orinasa malagasy mpanamboatra sambo, Polyma eny Ilafy, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, ny alakamisy teo. Hita tao avokoa ireo karazana sambo rehetra, toy ny sambo madinika, ny haingam-pandeha […]
Fihariana: toho-tantely 1.000.000 haparitaka manerana ny Nosy
Harena sy namana ny tantely. “Andao hamonjy ny tantely ho an’ny famokarana manaja ireo bibikely mpamindra vony, mpampivady zava-maniry”. Io ny teny filamatra nentin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ ny tantely, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Tanjona […]