Toe-karena

Andriamparany Carl : hampandroso an’i Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany

Nisy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Oniversite Toliara, ny 22 aogositra teo, mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Nandray anjara tamin’izany ny tonia mpanatanteraka ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl. Nohazavain’Andriamparany Carl, manoloana ny mpianatry oniversite, fa manan-karena ambanin’ny ta­ny i Madagasikara, izay afa­ka mi­­tondra fampandrosoana ara-toekarena. Hampihena ny fahazotoan’ny mpampiasa vo­la […]

Fampandrosoana: tombanana hiakatra 4,5% ny harinkarena faobe

Vinavinaina hiakatra 4,5% ny fitomboan’ny harinkarena faobe eto Madagasikara, amin’ity taona ity, araka ny tatitra « Rapport Pays 2024 » navoakan’ny vondron’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tokony hiakatra 5,3% izany ho an’ny taona 2025 rehefa nahitam-piakarana 4,4% tamin’ny taon-dasa, araka ny hita ao amin’ny tatitra mitondra ny lohateny hoe «Impulser […]

VAOVAO TAMBATRA

Tetikasa roa lehibe amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no anisan’ny vinan’ny fanjakana amin’ny taona 2025. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasam-bola vahiny mivantana (IDE), izay fanoitra lehibe hampiakatra fiharian-karena, hiteraka asa, sady hampandroso mivantana ny eny ifotony. Vinavinaina amin’izany ny tetikasa Base Toliara. Vita avokoa ny 60% ny asa ho an’ny […]

Tetikasa Tefiala: hanajary atiala 49 000 ha

Vina apetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny hanatsara ny endri-tany sy ny hanarina ifotony ny atiala mba ho lovain-jafy. Voafaritra nandritra ny fihaonan’ireo mpikambana mpanapa-kevitry ny « Comité de pilotage » eo anivon’ny Tetikasa Tefiala ny hanajariana velarantany 49 000 […]

Fem-9: vinavinaina ho 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo

Atao eto Antananarivo, ny 27, 28 ary 29 aogositra izao, ny fivoriana Dinika nasionaly mahakasika ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem), andiany faha-8. Fotoana ijerena ny zava-bita sy ny hanatsarana ny hoavy. Misitraka ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem) i Madagasikara, na­nom­boka ny taona 1994. Antony, […]