Toe-karena

Vidim-piainana : manomboka mihena ny vidim-bary

Manomboka midina tsikelikely ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao, raha ta­fakatra hatramin’ny 4.200Ar ny kilaon’ny vary gasy teo aloha teo. Efa tafiditra ana­tin’ny vanim-potoana fararano sy ny fiakaram-bokatra isika amin’izao, antony ma­hatonga ity fihenana ity. Ankehitriny, manodidina ny 2.300Ar ka hatramin’ny 3.400Ar ny kilaom-bary eny an-tsena. Nilatsaka 200 Ar isaky ny […]

Tandrina Suzette : fahasoavana lehibe ny fasimainty any Toliara

Vehivavy mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversite Toli­ara, Rtoa Tandrina Suzanette Alphonsine. Manana fijery mazava tsy mitongilana izy mikasika ny raharaha Base Toliara. Aminy, anjaran’ny fanjakana tanteraka ny manapa-kevitra mikasika azy, fa tsy tokony hijerena ny mpomba na ny mpanohitra ny tetikasa. «Efa fantatra ny tombontsoa entiny, koa inona […]

Tanora MYBM : nampahafantarina ny mikasika ny hetra

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Hetra (DGI) Germain, omaly, ireo tanora mpandraharaha miisa 15, mikambana ao amin’ny Ma­lagasy Youth Business Mee­ting (MYBM). Fihaonana nokarakarain’ny fandaharanasa Fihariana, mba hamantaran’izy ireo bebe kokoa ny tontolon’ny hetra. Nilaza ny tonia mpanatanteraky (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa nandritra ny fanazavana vao nahafantatra izy […]

Delestazy lavareny : potika ny fihariana madinika

Manimba ny fiharian’ny mpandraharaha madinika ny fahatapahan-jiro maharitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mihena ny fidiram-bola, ny faktiora aloa isam- bolana anefa tsy miova. Velon-taraina manoloana ny fahatapahan-jiro isan’andro ny olona fa indrindra ireo miasa tena, izay tsy maintsy mampiasa herinaratra hanodinana ny orinasany. Tafidi­tra amin’izany ireo mpanao cybercafé sy […]

Razafimahefa H. : « Aoka tsy hiandry ny governemanta »

Ankoatra ny lafiny politika, navoitran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Raza­fimahefa Herimanana ny toekarena sy ny sosialy. «Tsy misy intsony ny tena fanatontoloana amin’izao fotoana izao, fa bahanan’ny hery ana­nkiroa, ny tandrefana sy ireo firenen-dehiba hafa sy vao misondrotra», hoy izy. «Aleo isika tsy hiandry foana ny governemanta, fa afaka miasa foana. Maro […]