Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanakaikezana ny mpanao asa tanana ho fampiroboroboana ny seha-pihariny sy hitondram-bahaolana ho an’ny sehatrasa ataony. Tonga nitsidika toerana mpanodina tandrok’omby iray ao Imerintsiatosika, noho izany, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny zoma teo. Tapaka nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta fa […]
Toe-karena
Qatar Airways: hanao sidina eto Madagasikara isan’andro
Misokatra ho an’ny firenena avy ao Moyen Orient ny lanitr’i Madagasikara. Hanao sidina mandritra ny herinandro mampifandray amin’ny firenentsika ny kaompania Qatar Airways. Hitombo ny isan’ny sidina iraisam-pirenena hampitohy an’i Madagasikara amin’ireo firenena any ivelany. Natao ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny […]
Famokarana: hatsaraina ny fiaraha-miasa
Natao ny alakamisy teo, teny Anosy, ny dinika niarahan’ny tantsaha mpamokatra manerana an’i Madagasikara sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratoharijaona Rakotoarisolo Suzelin. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny zava-misy sy ny lesoky ny fiaraha-miasa hatramin’izay teo amin’ny minisitera sy ny vondron’ny tantsaha mpamokatra. Samy nitondra ny hetahetany sy […]
Jono : mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny PADM
“Mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny tetikasa fiompiana trondro maharitra eto Madagasikara (PADM) noho ny ezaka nataony. Namorona asa manodidina ny 5 120 koa ny tetikasa”, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, nandritra ny atrikasa famaranana ny tetikasa “PADM” tetsy Ambodivona, omaly. Vaindohan-draharahan’ ny tetikasa […]
Tanamasoandro Imerintsiatosika : velaran-tany 20 ha novolena zana-kazo
Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo. “Fambolen-kazo manarina ny tontolo iainana sy mamelon’aina no tanjona”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Tontosa teny Imerintsiatosika, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024. Niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry mivady niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sy olo-manankaja maro. […]




