Tsy ataotao fahatany ny mamboly hazo. Maro ny fepetra arahina raha te hahomby ny fambolena azy, izay miankina betsaka amin’ny tontolo manodidina. Araka ny toromarika avy amin’ny WWF, mila homanina mialoha, kojakojaina sy arahi-maso ny toerana nambolena. Mifameno ny fambolen-kazo sy ny voly manodidina. Mila mandray anjara ny mponina eo […]
Toe-karena
Jirama… May ny taribin-jiro etsy Ambodivona
Nitaraina ny mpanjifa eto an-dRenivohitra, omaly, amin’ny fahatapahan-jiro. Araka ny vaovao avy any amin’ny Jirama, may ny taribin-jiro any ambanin’ny tany, tao amin’ny toby mpitsinjara herinaratra etsy Ambodivona, vokatry ny ora-mikija. Voatery nanapaka ny jiro mandritra ny adiny iray ny Jirama, nanarenana ny simba, omaly. Nasesy tamin’ny famatsiana miisa dimy, […]
Vokatry ny ora-mikija… Misy ny lalana arenina, maro no mbola tsy vita
Maro ny lalana tapaka amin’izao fandalovan’ny rivodoza Cheneso izao. Mandeha ny fanarenana ny lalana tapaka any amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), eo amin’ny PK 378 sy ny 434+700. Nanomboka azo andehanan’ny fiara izany, omaly, na dia mbola mamotakabe aza. Manampy ireo, efa esorina koa ny tany nihotsaka any Ranomafana, RN […]
SG Madagasikara : hitarina ny efitrano fiofanan’ny AFT
Tsy mionona amin’ny lafiny tontolo ara-bola ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Misy koa ny tetikasa sosialy hanohanana ny fiaraha-monina. Manome lanja ny fampiroboroboana ny fanabeazana, ny hahaizan’ny daholobe ny teny frantsay, ny kolontsaina ary ny vaky boky ity banky ity. Isan’izany ny fanampiany ny Alliance française Antananarivo (AFT), hanitarana […]
Rio Tinto QMM : hampitombo 10 tapitrisa dolara eo amin’ny RSE
Fanaovan-tsonia fifanarahana miisa telo no tontosa teo amin’ny orinasa QIT Madasgascar Minerals (QMM) sy ireo mpanjono avy ao Hovatraha, Andranokana, Andrakaraka, Amparihy sy avy amin’ny kaominina Ampasy Nahampoana ary i Mandromondromotra.Tao koa ireo mpitrandraka hazo fihinamboa (usufruitiers) avy amin’ny mpiara-monina manodidina ny toeram-pitrandrahan’i Mandena. Manamarika ny fanatanterahana ireo fifampidinihana tamin’ny […]