Hanomboka afaka herinandro vitsy ny «Foire internationale de Madagascar», FIM 2023. Andiany faha-17 ny atao amin’ity taona ity eny amin’ny «Park des expositions”, Forello Tanjombato. Ankehitriny, efa vonona ireo mpandray anjara sy ireo mpikarakara ny hetsika ary ny mpiara-miasa rehetra. Omaly, namory ireo mpiara-miasa amin’ny hetsika teny an-toerana ny mpikarakara. […]
Toe-karena
Vanim-potoana mafana : velarantany 50.000 ha tratry ny andiam-balala
Nirongatra ny andiam-balala, izay efa mahenika velarantany 50.000 ha. Maika ny fandraisana fepetra satria ahiana vao mainka hihazakazaka izany fitomboany izany, ka tsy maintsy vonoina mialoha ny jona 2023. Nanafaingana ny fitomboan’ny valala ny firotsahan’ny orana be loatra sy ny toetr’andro, nanomboka ny oktobra 2022. Nandray fepetra hentitra ny minisiteran’ny […]
Vidin-jiro : orinasa 19 nahazo sarany manokana
Nomena sarany manokana amin’ny fanjifana ny herinaratry ny Jirama ny orinasa 19 misehatra amin’ny famokarana eto amintsika. Tafiditra amin’izany ireo orinasa lehibe indostrialy misahana ny famokarana lamba, ny famokarana simenitra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Anisan’ ireo voatonona amin’izany koa ireo orinasa misehatra amin’ny fanodinana […]
“Bank to Wallet” : mampifandray ny Sipem banque sy ny Orange Money
Namoaka tolotra vaovao hanamorana ny fandefasana vola ny Sipem banque sy ny Orange Money. Misy ny tolotra “Bank to Wallet” ahafahan’ ny mpanjifa manana kaonty Orange Money sy manana vola eny amin’ny Sipem Banque misitraka izany. Hanamora ny fangalana sy fandefasana vola ny tolotra, noho izy ampiasaina amin’ny finday ihany. […]
Ambodin’Isotry : ho vita afaka 15 andro ny lalana
Miisa 43 ny lalana arenina eto an-dRenivohitra, ao anatin’ ny fandaharam-potoanan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Efa vita ny eny amin’ ny lalana By-Pass Ankadimbahoaka. An-dalana, efa vita 75% ny eny Ambodin’Isotry, Aigle Noir, izay hisokatra ho azo andehanan’ny fiara afaka 15 andro. Hitohy eny amin’ny Cnaps Ampefiloha, Tsaralalàna, Analakely indray […]