Mitsinjo ny tontolo iainana ny ozinin’ny orinasa Star any Ambatolampy. Nisy ny delegasiona, notarihin’ny tale jeneraliny, Marc Pozmentier. Nampahafantatra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine. Nampisehoana ny fotodrafitrasa mamokatra angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 2MW. Tanjona ny hampihenana ny […]
Toe-karena
Ampela mandraharaha : vehivavy valo nahazo tohana
Tosika hanatsarana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy ny tetikasa « Ampela mandraharaha » novolavolain’ny Association des femmes auto entrepreneures à Madagascar (Afam). Tanjona ny hanampiana ny vehivavy hivelatra sy hisokatra amin’ny sehatra maro samihafa. Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy ny tontolon’ny fandraharahana hampivoarany ny tetikasany. Antony indrindra nahatonga […]
Zah@Geek 3.0 : hampiroborobo ny haitao ara-kajy mirindra
Hotanterahina ny 21 sy 22 jona izao, etsy amin’ny Orange Digital Center, gara Soarano, ny hetsika Zah@Geek 3.0. Fotoana iray hampivondronana ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. «Hamaly ny filàna amin’ny fitadiavana asa eo amin’ny sehatry ny niomerika izay tena mbola malalaka eto amintsika […]
Graphite molo : mahasarika ny orinasa mpitrandraka
Vonona hiara-hiasa sy hitrandraka ny graphite molo eto Madagasikara ny Société financière internationale (SFI). Noho izany, maminavina hampiakatra ny famokarana 150 000 taonina isan-taona ny orinasa NextSource Materials amin’ny alalan’ny famatsiam-bola mitentina 162 tapitrisa dolara ataony raha manodidina ny 17 000 taonina isan-taona ny vokatra azony amin’ izao fotoana. Sampandraharaha […]
Angovo eto Madagasikara: Ambany ny taham-pisitrahana herinaratra
Mbola ambany ny taham-pisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Ny taona 2022, manodidina ny 36% izany, izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana fahasivy amin’ireo firenena zara raha misitraka angovo, araka ny tatitra navoakan’ny Tanjona fampandrosoana lovainjafy ODD fahafito (ODD 7) na ny « Tracking SDG 7 ». Misahana manokana izany fanadihadiana izany ny […]




