Natao, omaly, ny atrikasa handravonana ny hampiharana ny hisian’ny rariny sy ny hitsiny amin’ny lafiny tontolo iainana (Justice environnementale) eto amintsika. Nambaran-dRandrianirina Fanoezantsoa, talen’ny sampana miady amin’ny kolikoly ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (M edd), fa tanjona ny hametrahana ny sehatra rehetra handray anjara amin’ny fiarovana […]
Toe-karena
Hetran-trano: misy birao mandray ny fitarainana eraky ny boriborintany
Misy birao manokana mandray ny fitarainana mikasika ny hetran-trano eny amin’ny boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra (CUA). Nilaza i Raharison Jaona, tompon’andraikitry ny vola ao amin’ny CUA, fa “anarivony ny fitarainana voaray ary efa novalian’ny Ben’ny Tanàna tsirairay avokoa. Andoavana hetra daholo ireo trano rehetra miorina eto Antananarivo araka ny […]
Fandaharanasa Fihariana: miisa 187.000 ny asa niforona
Anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fisian’ny asa ny fandaharanasa Fihariana, napetraky ny fanjakana, nanomboka ny taona 2019. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ireo mpandraharaha madinika nisitraka azy, ary voalohany amin’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Natsangan’ny filoha Rajoelina, ny taona 2019, entina hanohanana ara-bola sy ara-teknika ny […]
Tatitry ny Bianco – DT Antananarivo: fanararaotam-pahefana ny fandikan-dalàna be indrindra
Nanao tatitra ny zava-bitany taona 2021 ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ho an’ny fitaleavam-paritra Antananarivo, omaly, teny Ambohibao. Nisongadina ny nanatanterahana ny fanitsiana ara-drafitra sy ireo tranga samihafa tsy fanarahan-dalàna. Fanabeazana, fisorohana ary fanatanterahana ny lalàna no singa fototra entina miady amin’ny kolikoly. Tetikady napetraky ny fitondram-panjakana, tamin’ny […]
CFAO: tsara ny varotra fiara
Nitondra tombontsoa lehibe ho an’ny Vondrona CFAO Motors sy ny mpanifa ny fampisehoana « Salon de l’auto » tamin’ity taona ity. Izay mpanjifa rehetra nividy fiara marika Toyota, Suzuki, na Mitsubishi dia mety mahazo fiara fanindroany tamin’ny fisarihana natao. Nahazo izany tamin’ny fisarihana ny Fikambanana Agakhan Education Service, izay nividy bus Toyota […]