Nifarana ny zoma teo ny fampirantiana maimaimpoana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho fampahafantarana ny tantaran’ny vola malagasy. Hetsika izay tafiditra amin’ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ ny BFM tetsy Analakely. Ny taona 1896 ka hatramin’ny 1925, ny vola Eoropeanina sy Amerikanina no nampiasaina teto Madagasikara. Nofaritana tamin’ny taona […]
Toe-karena
Filoha Rajoelina Andry: “Hipaka any an-tokantrano ny fampandrosoana…”
Taorian’ny tany amin’ny distrikan’Ikongo sy i Betroka, nitohy tany Manakara indray ny fitokanana fotodrafitrasa sy fanampiana ny vahoaka nataon’ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany tamin’izany ny fanamby apetraky ny fitondram-panjakana. “Hitondra fampandrosoana eny ifotony isika ary tena mipaka hatrany amin’ireo kaominina sy ny tokantrano tsirairay izany”, hoy izy tao Manakara. Nisy […]
Orinasa Star: zava-dehibe ny fiarovana rehefa miasa
Laharam-pahamehana amin’ny orinasa Star, ny lafiny fiarovana ahafahan’ny mpiasa miasa, anaty tontolo azo antoka hisorohana ny loza. Misy ny fanamarinana iraisam-pirenena ISO 45 001 mandrindra izany. Misy ny paikady fanentanana tsy tapaka ny mpiasa, amin’ny fahamailoana sy ny fitandremana. Anisan’izany ny any amin’ny fibatana entana, ny fanajana ny faritry ny mpandeha […]
Toliara: nizarana jiro mandeha amin’ny masoandro
Tsy diso anjara amin’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro i Toliara. Maherin’ ny 4 000 ny tokantrano nisitraka izany tany an-toerana, natolotry ny filoha Rajoelina Andry, ny herinandro lasa teo. Nambarany fa andiany voalohany ity natao ity, fa mbola hisy ny manaraka. Tanjona ny hisitrahan’ny isan-tokantrano rehetra any Toliara jiro, […]
Atsimo Andrefana: miteraka asa ny fisian’ ny orinasa
Lazaina fa « Fasan’ny tetikasa » ny tapany atsimon’ny Nosy, ary vao mainka miharatsy ny zava-misy. Maika ny hamahana izany, izay efa misy ny tetikasa vonona hampiasa vola any an-toerana. Nitatitra ny Banky iraisam-pirenena fa ianjadian’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary any Atsimo. Miaina anaty fahantrana ny 91% ny mponina any […]




