Toe-karena

Fampandraharahana ny tanora : hiara-kiasa ny CT Motors sy ny Banky Baobab

Hanome sehatra ny tanora tsy an’asa, tontosa tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa CT Motors sy ny banky Baobab Madagasikara mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampindramam-bola ho an’ny mpanjifa, omaly. Hahazo tombontsoa amin’izany ireo ma­niry hividy fitaovam-pitaterana ao amin’ny orinasa CT Motors satria afaka mindram-bola mivantana amin’ny Baobab. “Nosantarina […]

«Caméra de surveillance » 1 200 : hamaha ny olan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra

Tafiditra tanteraka amin’ny fampandrosoana anatin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fifandraisan-davitra ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Hanara-maso ireo zava-mitranga amin’ireo toerana 300 ireo « caméra » napetraka manomboka izao. Miroso anatin’ny fampivoarana ara-kajy mirindra toy ny tanàn-dehibe any ivelany, miisa 1.200 ireo «caméra» tafapetraka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. […]

Jirama : mpitantana anjatony vaovao notendrena

Nanova rafitra ny orinasa Jirama, taorian’ny tombana nataon’ny minisiteran’ny An­go­vo sy ny akoranafo, tamin’ ireo tale maherin’ny 40, ny faran’ny volana novambra teo. Namoaka lisitra tompon’andraikitra ambony vaovao, manodidina ny 100 ny filankevi-pitantanana, ny talata 13 desambra teo. Mandimby ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy amin’ny raharaha eny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny […]

Taolagnaro : voatery manapaka jiro ny QMM

Nilaza tamin’ny Jirama sy ireo mpiara-miasa aminy ny QMM fa tsy afa-mihoatra (force majeur) amin’ny sehon-javatra sasany any Taolagnaro misakana azy tsy hamita ny fifanarahana. Izany dia noho ny sakana atao tsy ahazoan’ny QMM manao ny asany am-pilaminana nanomboka tamin’ny 1 desambra. Hatramin’ny nisian’io sakana io, mirongatra ny halatra isan-karazany […]

Antenimierampirenena: lany ny tetibola fanavotana ny Jirama

Nolanian’ny Antenimie­ram­pirenena farany teo ny fanovana nentin’ny Ante­ni­mi­e­randoholona, fanovana tsy nasiam-panitsiana mikasika indrindra ny trosan’ny Jirama. «Tsy miditra lalina loatra amin’izay ny fanjakana satria ny fitantanam-bola ao amin’ ny Jirama misaraka tanteraka amin’ny fanjakana foibe. Sa­in­gy tsy afaka jerena fotsiny ny olan’ny Jirama dia tonga ihany ny fanjakana manampy», hoy […]