Toe-karena

Mahajanga: misesisesy ny fahatongavan’ ny sambo lehibe

Andrasana hiverina ao amin’ny renivohitr’i Boeny, ny alatsinainy izao, ilay sambo lehibe Hebridean Sky, nitondra mpizahatany nandalo tao an-toerana afakomaly. Sambo lehibe fahefatra nigadona tao Mahajanga izy ity, izay nitondra mpandeha 100. Nitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra ny 85 amin’ireo mpandeha, nahitana teratany amerikanina sy anglisy. Taorian’io, nihazo an’i […]

Fanondranana : nampiditra 3 miliara Ar mahery ny nikela sy kobalta

Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fanondranan’i Madagasikara nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nihena anefa ny vidiny, nilatsaka ihany koa ny vokatra naondrana. Manodidina ny 35 000 t ny vokatra nikela sy kobalta naondran’i Ma­dagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohany, tamin’ity taona ity. Nilanja 3 900t kosa izany tamin’ny volana […]

Renirano Kamoro Maevatanana: mpitrandraka volamena an-tsokosoko tratra

Miverina indray ny fitrandrahana an-tsokosoko volamena ao amin’ny reniranon’i Kamoro any Maevatanana. Nidina ifotony ny minisitera, ka teratany vahiny miisa 10 no tratra. Nahazo fitarainana ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), fa misy indray ireo mpitrandraka volamena an-tsokosoko ao amin’ny reniranon’i Kamoro, kaominina Marokoro, distrika Maevatanana. […]