Simba ny paompy mampakatra rano eny Amoronakona, nanomboka ny zoma 2 desambra teo. Tapaka, noho izany, ny famatsian-drano teny amin’ny faritra Ambohimahitsy, Ankotsirano, Ikianja, Ankadindambo, Ambohimangakely, Ambohimangakely Manambina, Ambovokely, Ambatomaro, Antsobolo, Ankandrina, Ampatsy, Soamanadrariny, Ambohibe. Nohazavain’ny tale misahana ny rano ao amin’ny Jirama, Ramarosandratana Rija, omaly, nandritra ny fandalovan’ny minisitry […]
Toe-karena
Fitantanana ny vola avy any ivelany: nahatratra 64,5% ny tahan’ny fandaniana ny famatsiam-bola azo
Tsy lany araka izay voasoritry ny sora-bola ny vola azon’ny fanjakana avy any amin’ny mpamatsy vola. Mila hahitsy sy hatsaraina ny fomba fitantanana ary hamafisina ny fifanakalozana antontam-baovao ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny tomban’ezaka sy ny fitakiana voarakitry ny fanadihadiana mikasika ny tahan’ny […]
Banky Iraisam-pirenena : hitohy ny fiaraha-miasa ho an’ny 5 taona manaraka
Ao anatin’ny fitsidihan-dRamatoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ao amin’ny faritra Afrika Atsimo sy Atsinanana. Dia nihaona tamin-dRamatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola tetsy Alarobia, omaly 7 desambra ny filoha lefitra sy ny ekipany izay miasa eto Madagasikara. Ny fiaraha-miasantsika sy ny Bretton Woods […]
Harena an-kibon’ny tany: hanana Bam i Fenoarivo Atsinanana
Ankoatra ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny letisia, manana harena an-kibon’ny tany koa ny faritra Analanjirofo. Mila fitantanana mahomby anefa izany, amin’ny maha harena tsy azo havaozina azy. “Izay no antony nametrahana ny Biraon’ny fitantanan-draharahan’ ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Fenoarivo Atsinanana”, hoy ny […]
USAID Ranowash-MEAH: nahazo rano fisotro madio ny any Morarano Chrome
Notokanan’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, sy ny delegasion’ny USAID-Ranowash, ny 6 desambra teo, ny fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio, any Morarano Chrome sy Morarano Gara, distrika Amparafaravola sy Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Ranowash tohanan’ny USAID, iarahana amin’ny minisitera MEAH. Miisa 24.000 ny […]